• Mitaky ny hirosoana haingana any amin'ny fihaonambem-pirenena ny Komity Miaro ny Tolona. Io ihany, hoy izy ireo, no lalana hamaritana ny rafitra hitondrana ny firenena sy ny andrim-panjakana tokony hofoanana... • Mpiasa 15 no nampiantsoina teny amin'ny Bianco, noho ny ahiahy kolikoly nahafahana niditra ho mpiasan'ny ACM. Ny mpitantana teo aloha no tokony henjehina amin'ity raharaha ity, hoy ny Randrana Sendikaly... • Misy ny fisolokiana amin'ny alalan'ny fanaparitahana vaovao momba ny fanampiana ara-bola omen'ny Minisiteran'ny Asa. Efa nametraka fitoriana momba izany ny tompon'andraikitra, hanenjehana izay tompon'antoka...
---/... 10 aogositra 1991- 10 aogositra 2026. 35 taona lasa izay ilay hetsi-bahoaka, tamin'ny alalan'ny diabe nananika ny Lapan’i Iavoloha. 35 taona lasa izay ilay rà nandriaka nitakiana ny tsaratsara kokoa. Olona an'aliny maro tamin'izany no nihetsika teny amin'ny kianjan'ny 13 mey, nitaky ny fialan'ny filoha Didier Ratsiraka sy ny handrodanana ny « mandan’i Jerikô », araka ny fiteny tamin’izany. Maro no maty, tsy tambo isaina ireo naratra, rehefa voafandriky ny vanja nilevina sy ny tifitra avy eny ambony angidimby tamin'io andro andro Sabotsy io...
• Nitombo isa indray ireo pretra eo anivon'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara. Diakra roa no nohamasinina ho pretra tany Betafo omaly... • Feno 35 taona katroka androany ilay diabe nankeny Iavoloha nifarana tamin'ny rà mandriaka. Efa adinon'ny ankamaroan'ny Malagasy izany datin'ny 10 aogositra 1991 izany, 35 taona aty aoriana... • Nitondra fanazavana tamin'ny alalan'ny fanambarana navoakany ny Federasiona, manoloana ny karaman'i Maître Rôrô, izay nambarany fa mbola tsy voaloa...
Alahady 02 aogositra 2026. Alahady faha-19 mandavantaona — A — Mampatoky ny manatona an'i Jesoa Mpamonjy. Aleloia. Aleloia. Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Aleloia. Rehefa tsy mifanandrify amin'ny handrasantsika Andriamanitra dia manome tsiny azy anefa Andriamanitra miasa mangina ary azo hantenaina na eo aza ireo sedra sy fahasarotana hatrehan'izay mitady azy. Tsy ao anatin'ny tabataba ny handrenesana ny feon'ny Tompo fa ao anaty fahanginana, izay herin'ny fitiavana sy halemem-panahy...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco