♦ Hisokatra ho anao mpihaino sy mpankafy anio alarobia 24 jona ny onjam-peo Radio Don Bosco mandritry ny Porte-Ouverte manomboka amin'ny 8ora sy sasany maraina... ♦ Nanomboka niverina niasa tsikelikely ireo fiara fitateram-bahoaka ho an'ny androany maraina, taorian'ny fitokonana nataon'ireo mpamily sy ireo mpanampy ny mpamily omaly talata 23 jona 2026... ♦ Hanamafy ny fanaraha-maso ny entana lany daty sy ny kalitaon'ny entana amidy eny an-tsena ny mpanara-mason'ny varotra mivondrona ao amin'ny Sendika SAC.C.M...
♦ Nitokona tsy niasa ireo mpitatitra amin'ny taxi-be eto Antananarivo nanomboka ny maraina teo. Tonga hatramin'ny fahatapahan-dalana izany ny hetsi-pitokonan'izy ireo... ♦ Nandray fepetra manoloana ny fitokonambe ataon'ireo mpitatitra amin'ny fitanteram-bahoaka eto Antananarivo ny fitondrana foibe. Havoaka hitatitr'olona ireo "Bus éléctrique" miantsona ao Iavoloha... ♦ Nitombo be ny isan'ireo tranga vaovaon'ny aretina nendran-drajako (MPox) tamin'ny faran'ny herinandro teo. Tafakatra 86 izany, araka ny tatitry ny MInisteran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Lalovan'ny hafanam-be amin'izao ny any Espagne, mahatratra 42°C...
Ny reniala na ny Baobab dia hazo manana ny lanjany ho an'ny Mikea satria manampy azy ireo amin'ny fitahirizana rano ho sotroina noho ny toe-tany main-dava any amin'ny faritra misy azy ireo. Ny mozika "BEKO" no isan'ny mampiavaka ihany koa ny Mikea izay mifamatotra amin'ny fiainany andavanandro toy ny fotoana famoran-jaza sy ny fanamadihana ary indrina amin'ny fotoana misy fahafatesana. Ny Mikea dia mandala ny lalam-pihavanana momba ray izany hoe ny raim-pianakaviana no masimandidy amin'ny fitarihana ny ankohonana. Fanamby lehibe no miandry ireo Mikea noho ny fandrosoana miitatra ka mandindona ny fonenan'izy ireo...
♦ Hifampitaona eny Ambohipo ny ankizy Diôsezin'Antananarivo amin'ny fiandohan'ny volana jolay izao, anatin'ny fihaonamben'ny ankizy "Vahatra Diôsezy"... ♦ Hanatanteraka tetik'asa miisa 2 lehibe eto Madagasikara momba ny fanatsaràna ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny vondrona erôpeana. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly teny Soarano izany... ♦ Hisy ampahany amin'ireo mpitatitra amin'ny taxi-be no hitokona anio, araka ny vaovao efa niparitaka. Misy amin'ireo mpitatitra anefa no tsy mitovy hevitra amin'izany... ♦ Nizotra tsara ny dinika teo amin'i Iran sy Etats-Unis natao tany Suisse momba ny ady ao Moyen-Orient...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco