Ny faharanitan-tsaina dia olona mety ho tompon-toerana fotsiny ; ny olona manana rafi-tsaina no tompon'andraikitra, ireo anefa dia afaka mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana olona ho tompon'andraikitra izay mitereka vokatra tsara izay tena fahavanonana ; fa ny fitaizana kosa dia fampitàna fahalalana ho tonga fahaizana mba hatonga azy hahazo asa na toerana. Eo amin'ny 15 taona eo no fametrahana rafi-tsaina ao amin'ny olona iray. 11 hatramin'ny faha-15 taona no misokatra ny maha izay ny olona iray, koa eo no tena ilàna fifankahazoana sy fifampiresahana, ary hamantarana ny safidy sy talenta ao amin'ny zanaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
♦ Fisandohana andraikitra no nataon'ireo mitonona ho solontenan'ny KFIM kanefa tsy manana fanomezam-pahefana araka ny nambaran'ny Filoha nasiônaliny Elia Rabevahiny. Tsy nisy fiovana ny birao nasionalin'ny KFIM... ♦ Mbola tsy mandray ny asany 10 volana taorian'ny nandraisana azy ho mpiasam-panjakàna ireo tanora nisitraka izany eo anivon'ny minisiteran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa... ♦ Nahazo fitaovana avy amin'ny INBAR sy ny fiaraha-miasa Sinoa ireo mpanao asa tanana vita amin'ny volobe mivondrona ao amin'ny AFIMA eny Ambilanibe-Andavamamba, Antananarivo, entina hiantsehatra amin'ny tsena...
♦ Nanamafy androany Andriamatoa Elia Rabevahiny fa tsy miova ny birao nasiônalin'ny KFIM ary mpisandoka izay mitonona ho filoha nasiônaly vaovao... ♦ Nanatanteraka hetsika teny Ampefiloha, androany, ireo tanora 590 voaray ho mpiasam-panjakàna teo anivon'ny minisiteran'ny fampianarana taknika izay tsy mbola miasa na dia efa nahavita fifanarahana arak'asa aza... ♦ Efa potika tanteraka ka tena mila vahaolana maika i Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena Pr Freddie Mahazoasy... ♦ Tsy nahafaly ny praiminisitra israeliana Beniamine Netanyahy ny lahateny nataon'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tamin'ny fivoriamben'ny N.U...
♦ Nitondra ny teny fisaorana ho an'ireo rehetra nanampy sy nanohana ny Radio Don Bosco tamin'ny fanatanterahana ilay tantara an-tsehatra "Ratsy fototra" natao teny amin'ny CC ESCA Antanimena ny sabotsy 19 septambra teo ny talen'ny RDB... ♦ Andray fitenenana voalohany mandritry ilay fivoriana avo lenta faha-81 ny firenena mikambana any New York rahampitso alakamisy 24 septambra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Voamarina fa tazomoka, tazo mahery ary kitrotro ilay aretina niparitaka ary nahafaty olona 37 tany amin'ny Distrika Ifanadiana ; ho fehezina anatin'ny taba-bolana ny aretina...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco