♦ Nahemotra amin'ny 27 ôktobra indray ny fihainoan'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly Antananarivo ireo voasaringotra tamin'ilay raharaha Boeing 777 izay tokony notanterahina omaly talata 22 septambra... ♦ Andro tsy hiasana fa handraisan-karama manerana ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara ny zoma 25 septambra fanamarihana ny faha heritaona nisian'ny hetsi-bahoaka tamin'ny taona 2025... ♦ Tokony efa ho afaka handray ny lalao hiaonan'i Barea sy Nigéria amin'ny fifanitsanan'ny CAN 2027 amin'ny volana MARSA ny kianjan'i Mahamasina hoy ny Filohan'ny FMF...
♦ Tsy nomen'ny Fitsaràna Misahana ny Ady amin'ny Kolikoly fahafahana vonjy maika ny Ministry ny Fitanterana teo aloha Ramonjavelo Valérie. Mihemotra ny 27 ôktobra izao indray ny fitsaràna momba ilay raharaha Boeing 777... ♦ Tsy tokony hijanona ho mpijery fotsiny amin'ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ny olom-pirenena. Izay no nambaran'ny Vovonana Tantana androany... ♦ Mila mandray andraikitra manoloana ny fahasimban'ny tontolo iainana ny Malagasy tanora hoy ny ao amin'ny Vovonana Aika. Tandindonin-doza mantsy ny firenentsika ankehitriny hoy izy ireo...
♦ Manentana ny kristianina hirotsaka an-tsehatra sy hijoro amin'ny marina amin'ny raharaham-pirenena ny Evekan'Antsirabe. Nambarany fa tsy tokony hitazam-potsiny ny kristianina... ♦ Olom-panjakàna ambony 7.000 isa no tsy mbola nahavita fanambaram-panànana teny amin'ny bianco hatramin'izao. Hiroso amin'ny fanasaziana ny Birao Mahaleontena Iadiana amin'ny Kolikoly, amin'ny taona 2027... ♦ Mandroso ny asa fanatsarana ny fanarian-drano ao Antananarivo anatin'ny tetik'asa PIAA andiany faharoa. Efa any amin'ny 25% ka hatrany amin'ny 33% amin'ny asa no vita ho an'ireo asa roa efa mandeha...
Ny "Sôvaramita" dia lahabolana teraka tamin'ny alalan'ny hai-famoronana, teraka ny taona 2013 ; voambola roa no mandrafitra ny teny hoe "Sôvaramita" dia ny "Sôva" sy ny "Kidaombaramita". Ity farany moa no nakàna ampahanteny "Ramita". Ny Sôvaramita dia manana endrika pôezia, sy fifanosonan'ny literatiora moderina sy ny nentim-paharazana. Ny mpanoratra sady Pôeta L. Niry Andriamora ary Raphi no namorona azy ity. Naka tahaka ny fomba ny sôva amin'ilay mitanisanisa, ary tsy maintsy mingadona kidaombaramita...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco