Misy ny voka-dratsin'ny fanalan-jaza no tena mihatra mivantana amin'ilay olona nitondra vohoka nanala zaza ; mety tsy hiteraka intsony ilay vehivavy aorian'iny fanalana zaza natao an-tery iny, mety hiteraka fahafatesana ho an'ilay reny. ARaka ny antotanisa voasoratra tao amin'ny hôpitaly Befelatanana dia maro ireo vehivavy maty vokatry ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
22 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)
Ny fanantenana dia ilaina foana eo amin'ny fiainana satria hananana tanjona, ary tsy misaraka amin'ny finoana na dia kely aza izany finoana izany hahavitana zavatra goavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Mbola misy vahaolana hafa ankoatra ny fanalan-jaza koa entanina ny tovovavy sy ny vehivavy rehetra mba hanao ny ezaka hitondrana hatramin'ny ora farany ny vohoka izay azo fa tsy vahaolana ny fanalan-jaza. Ny fanalan-jaza dia misy voka-dratsiny indrindra ny ara-moraly, vahaolana akaiky mampanenina io fa tsy mampiadan-tsaina. Ny vavaka dia hery iray ahazoana bitsika mba hahitana vahaolana mendrika ny mahaolona. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco