Ny aretina mpahazo ny tenda dia aretina misy mandavan-taona, ary mety hahazo ny olona rehetra. Ny Aretin-tenda dia misy karazany maro: mety ho vokatry ny olana mahazo ilay kambon-tenda, amygdalite, pharyngite, laryngite... Ny anton'ny aretina dia fisian'ny tsimok'aretina na otrik'aretina manafika ny tenda, tsy fahazakana hatsiaka, tsy fahazakana sakafo sasatsasany. Ny tenda dia manomboka ao amin'ny ati-vava ka isan'izany ny kambon-tenda izay taova mpamorina hery fiarovana ho an'ny olombelona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Misosoka ny fahoriana eo amin'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry omaly i Sitraka Rakotobe... ♦ Hiady ny laharana voalohany ao amin'ny vondrona "B" misy azy ny Ekipam-pirenena Malagasy Ankoay, latsaky ny 18taona, rahampitso ka hifandona amin'i Mali. Resiny 59 no ho 48 i Maroc tamin'ny lalao faharoa nataony omaly... ♦ Nisy omaly ny filan-kevitry ny minisitra ampitain-davitra izy niompana tamin'ny resaka angovo... ♦ Nifamatotra tamin'ny alalan'ny fifanarahana hanamafisana ny fiarovana i Arabia-Saodita sy Pakistan ary Tiorkia...
• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...
• Mila fitoniana sy filaminana ny firenena, mba hisian'ny fampandrosoana haingana sy maharitra, hoy ny fikambanana ACS, ivondronan'ny Loholona sy ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha... • Natolotra ny Foibe Fikarohana ho an'ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra, na ny FOFIFA, ireo masomboly vary nohatsaraina nentin'ny delegasiona malagasy notarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, nandritra ny fitsidihana ofisialy tany Egypta... • Misy fahavakisana fantsona lehibe eo Mandroseza, ka miteraka fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny faritra maro eto an-drenivohitra, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny JIRAMA...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco