Ny sosona ôzônina dia manana anjara lehibe amin’ny fiarovana ny tany amin’ireo taratra ultraviolet (UV) mampidi-doza avy amin’ny Masoandro. Ny fahasimban’io sosona io dia mety hampitombo ny fiparitahan’ireo taratra ireo sy hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Noho izany, ilaina ny fahafantarana ireo loza mety hateraky ny fahasimban’io singa io sy ny fandraisana fepetra tsotra mba hiarovana ny fahasalaman’ny tsirairay sy ny fianakaviana. Mifototra indrindra amin’izany ity fandaharana ity...

♦ Hisy anio ny hetsika hataon'ny "Tsy manaiky lembenana" eny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahin'ny tolona 2025... ♦ Niteraka resabe ary tsy nijanona teo amin'ireo mpitia baolina kitra ihany ny anarana iray amin'ireo mpilalao 25 mirahalahy handrafitra ny Barean'i Madagasikara... ♦ Misy valan'aretina tsy mbola fantatra anarana izay mamely ny olona ao amin'ny Kaominina telo anatin'ny Distrikan'i Ifanadiana, ankehitriny... ♦ Sahiran-tsaina amin'ny fahitàna fatim-behivavy misesisesy izay novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ny ao Afrika-Atsimo...

♦ Tsy mety intsony ny rafitra Fanjakàna Tokana misy amin'izao fotoana izao hoy ny antoko SFDM fa mila hirosoana amin'izay ny Fanjakàna Isam-paritra. Iray ihany ny filoham-pirenena hoy Andriamatoa Beanjara Paul ary ny Governora no mitantana ny Faritra tsirairay... ♦ Mandray anjara amin'ny fihaonambe iraisam-pirenena faha-4 any UNESCO momba ny Etikan'ny Saina Voatran'olombelona ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra... ♦ Maherin'ny 4.780.000 ny olona voasoratra anarana biômetrika nandritry ny hetsika andiany voalohany...

Toa ny olona sembana ary manana olana eo amin'ny fiainany izay tsy miaina ny fitiavana izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fitiavana dia azo adika ho hery anaty. Ny fampitahorana sy fanapepoana no mahatonga ny tsy fahatokisan-tena sy ny tsy fivelarana ; mba ho tena fanabeazana mahomby dia ilay ny teny famporisihana, lavitry ny fampitahana amin'ny hafa. Manampy amin'ny fanehoana fitiavana ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra ary ny teny famporisihana, indrindra ny fanokanana fotoana ho an'ny ankohonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...