Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo. Mifampizara traik’efa momba ny fikarohana amin’ny famokarana izy ireo mba afahana manatsara hatrany ny vokatra. Fahombiazana no azo tao anatin’izay 20 taona mahery nijoroan’ny fikambanna izay, indrindra ny fanatsaràna hatrany ny famokarana ny zezika kakana amin’ny alalan’ny fikarohana tsy mitsahatra...

• Manao ranolava ny fanambaran'io Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, miaro ny andrim-panjakana misy azy ireo. Tsy sakana amin'ny firosoana amin'ny fanavaozana izy ireo, hoy ny depiote voafidy tany Fenoarivo Atsinanana... • Mila hamafisina ny fiarovana amin'ny MPOX amin'izao fotoanan'ny fialan-tsasatra izao, hoy ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka momba ny MPOX, ny Profesora Mamy Randria. Mitombo hatrany ny isan'ny tranga vaovao hita...

• Nodimandry teo amin'ny faha-89 taonany i Mompera Andriatsifa Désiré Anatole na i Baigny Dezy. Namoron-kira maro ho an'ny Eglizy Katolika ary mpikaroka nandritra ny 50 taona tao amin'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo... • Nahazo Tale Jeneraly vaovao ny eo anivon'ny CNaPS. Nametrahan'ny fanjakana ny fitokisany hisahana izany andraikitra izany Ramatoa Florent Soatiana Bety Léonne... • Nihintsana teo amin'ny ampahefa-dalan'ny Afrobasket lehilahy latsaky ny 18 taona ny Ankoay Malagasy. Resin'i Sénégal tamin'ny isa 54 noho 40 i Madagasikara omaly...

♦ Hiverina hiakatra kianja indray anio ny Ankoay zazalahy latsaky ny 18 taona, izay hifandona amin'i Sénégal amin'ny ampahaefa-dalana amin'ny andiany faha-25 amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika... ♦ Nodimandry androany vao maraina i Mompera Andriatsifa Désiré Anatole, izay fantatry ny maro amin'ny hoe Mompera Baigny Dezy... ♦ Efa miomana amin'ny mety ho vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro voajanahary maneran-tany ka hitarika haintany goavana any atsimon'ny nosy i Madagasikara... ♦ Nahasaritra olona maro, omaly, ny tao Medinaceli, tanàna iray any avaratra-atsinanan'i Espagne, izay nahitana 100% ny fanakona-masoandro...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...