Hamerina ny lanjan’ny kafé teto Madagasikara toa ny nisy mialohan’ny taona 90 indray ny Fanjakàna Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fahaleovantena ara-tsakafo miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana sy ny any ivelany. Tanjona ny hananan’ny kafé malagasy ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra amin’ny alalan’ny fampitomboana ny vola miditra amin’izy ireo.

Vonona hampiroborobo ny toekarena ao aminy amin’ny alalan’ny fizahan-tany ara-tontolo iainana noho ireo harena voajanahary ao aminy ny VOI ao amin’ny nosy Sakatia Nosy Be. Nitsidika ny sehatr’asan’ny Vondron’Olona Ifotony tao Anja sy Tsaranoro samy ao amin’ny distrik’Ambalavao faritra Matsiatra Ambony izy ireo mba hitondra traik’efa hoan’ny VOI any DIANA ankohatra ny ao Sakatia...

• 10% amin'ireo vaomiera mpanisa ny mpifidy eny ifotony ihany no mba ahitana solontenan'ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena... • Zaza 5 taona manana toe-tena varira indray no nisy naka an-keriny alina, tao amin'ny Fokontany Bemarivo Atsinanana, Kaominina Maevatanana Faharoa... • Vitsy ny mpampianatra FRAM karamain'ny ray aman-drenin'ny mpianatra horaisina ho mpiasam-panjakana amin'ity taona ity...

• Mbola mijanona ho serasera politika fotsiny ny filazana ny amin'ny hanatanterahana fifidianana amin'ny volana jolay 2027, hoy ny KMF/Cnoe Fanabeazana Olompirenena... • Hotanterahina anio eny Ankatso ny fivoriana handinihina ny famerana ny naoty hahafahana Bakalorea ho an'ny Faritra Analamanga, Bongolava. Efa nivoaka omaly kosa ny voka-panadinana ho an'i Toamasina... • Hisy ny fihaonana mivantana eo amin'ny Sendikà SECES sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa anio...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...