Hitondra ny jiferiny amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra indray ny Arofanina anio. Ady iraisan’ireo ray aman-dreny mampiana-janaka ny fampidirana mpianatra isaky ny taom-pianarana vaovao. Mila fiomanana ara-bola matanjaka mantsy ny fiatrehana azy io, na ho an’ireo mandefa ny zanany amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana izany na ihany koa ho an’ireo manana ny fahafahana mandefa ny ankizy amin’ny sekoly tsy miankina.
Fahefan'ny Fiangonana ny fankatoavana sy ny fampijoroana ny fitsipiky ny fikambanan-drelijiozy. Tsy mijanona hatreo amin'izay fotsiny anefa fa mbola zava-dehibe ihany koa, amin'ny fampiasana ny fahefana napetrak'Andriamanitra amin'ny Fiangonana, ny fandraisany ny voady ampahibemaso ataon'ireo relijiozy mandritra ny fankalazana ny Eokaristia. Toetra natokana ho an'Andriamanitra ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Zava-dehibe ny maha iray tsy mivaky ny vahoaka Malagasy. Aoka hatsapa tena ny tafika Malagasy fa iray ihany ny tafika, fototra lehibe afahana miady amin'ny fahantrana, kolikoly. Zava-dehibe ihany koa ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza, manomboka amin'ny ireo asa fanao andavanandro ao an-tokantrano... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny relijiozy dia fehezin'ny tompom-pahefana eo an-toerana, ireo fikambanana nankatoavin'ny Eveka eo ambany fahefan'ny Eveka eo amin'ny diôsezy iasany. Ny relijiozy fehezin'ny Evekan'i Rome irery dia izay nankatoavin'ny Papa mivantana ilay fikambanan-drelijiozy, miankina tanteraka amin'i Vatican, izany hoe ny Papa, amin'ny maha loha-laharana azy eo amin'ny Fiangonana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco