Ny foto-teny ao amin'ny teny "Andraikitra" dia "raikitra" ary ao amin'ny "fitiavana" dia "tia" izany hoe "raikitra ny tia" midika fa raikitra amin'ny tena ny tia. Ankehitriny amin'ny fitenin-jatovo dia tsy dia fiteny loatra ny hoe "olon-tiako, vadiko" fa heno matetika ny hoe "Ankiziko", izany hoe mitaky  andraikitra. Isika rehetra izay niroso tamin'ny fanambadiana dia efa nandray ho andraikitra ny fitiavantsika ny vadintsika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

Tian'ny Konsily hambara fa Andriamanitra no fototra iombonantsika fa hoy izy hoe toa ny hazo ka mizarazara ny rantsany : Satria Andriamanitra RAY no fototra sy fiafaran'ny olombelona rehetra, noho izany dia antsoina ho mpirahalahy sy mpianadahy daholo ny olombelona rehetra. Rehefa tsy miray saina dia tonga ho azy ny fizarana sy fisarahana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

♦ Namono marary iray indray ny valan'aretina MPox ny talata lasa teo. Lehilahy lehibe tany amin'ny Faritra Sofia io namoy ny ainy io... ♦ Hangataka fihaonana amin'ny FFKM ny kômity mpanomana ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny tanora mialohan'ny daty handravonana farany ny fehin-kevitra tany amin'ny Faritra... ♦ Olona 40 isa isam-bolana no tratra manao asa tsy ara-dalàna etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Miara-miasa amin'ny Zandarimariam-pirenena ny tompon'andraikitra amin'ny fampiharan-dalàna ho an'izay tratra amin'izany...

Ny hoe "66 taona" dia tokony azo adika ho tena fahaleovan-tena, na eo ary ireo tsindry avy amin'ireo vondrona sy firenena samihafa. Ny teny, ny tantara ary ny tany dia singa fototra hampisongadinana ny tena fahaleovantena ary teboka hiaingana amin'ny fanavaozana marina. Ny teny malagasy dia teny velona sy mivoatra, isan'ireo teny mita sisin-tany ka manana ny lanjany any amin'ny firenena sy ny toeran-kafa toa an'i Comores sy Paris. Mila mifanentana isika Malagasy hanatsara ny toe-tsaina, hifanome hasina, hifankatia, misy hatrany ny fanantenana rehefa miray hina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...