I Madagasikara dia isan'ireo firenena mbola ahitana tranganà kolikoly betsaka indrindra, noho ireo tsy fahadiovana eo amin'ny fitondran-draharaha. Porofo mivainga, ny fanendrena tompon'andraikitra, amin'ny famitana tolo-draharaha eny anivon'ireo ministera sy ireo orinasa. Raha tiana ny handrosoan'ny Firenena dia atao ezaka ny fialana amin'ny kolikoly : aoka tsy ny vola na ny hafa no hanosika amin'ny fanapahan-kevitra, fanajana fotoana sy fanonerana ireny, fanajana ny hasin'ny hafa sy ny hasin'ny tena, fanaovana laharam-pahamehana ny tombontsoa iombonana, hiaino ny finoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny Gaudium et Spes dia foto-pampianarana ara-pastoraly momba ny Eglizy, manoloana ny vanim-potoana ankehitriny ; eny ny hafaliana sy ny fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjoa ny olombelona amin'izao fotoana izao, manjo indrindra ireo mahantra sy mijaly dia hafaliana sy fanantenana, fahoriana sy ahiahin'ny mpianatr'i Kristy rehetra. Voaresaka ao anatin'ity fotom-pampianarana ity ny lafiny ara-pinoana sy ny ara-pitondrana, ireo toetra amam-pihetsika, araka ny toer'olombelona sy ny fivoarana misy eto an-tany amin'ny lafiny maro... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny fiovana ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina dia miseho amiin'ny fanovana ny rafitra ara-pianarana, asa, sy ny fitantanana, fanitarana ny fahalalana sy ny fidirana amin'ny vaovao, fivoaran'ny fomba fiainana sy ny soatoavina, fiovan'ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona sy ny vondrom-piaraha-monina. Ireo fiovana ireo dia mitaky fahatsiarovan-tena sy fanabeazana vaovao... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Alahady 29 martsa 2026 - Alahady Sampankazo - Fandinihana ny fijalian’ny Tompo - Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Ny vola noraisin'i Jodasy tamin'ny takalon'ny fanoroana an'i Jesoa dia taratry ny famadihana ny hafa, amin'ny toe-piainana ankehitriny, no sady tsy firaiketana intsony amin'ny marina, ary miafara amin'ny fomonoana aina. Mila mivavaka isika indrindra anatin'ny sarotra ; i Jesoa zanak'Andriamanitra dia nanaiky ny hitondra ny hazofijaliana ho fanafahana ny olombelona...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...