♦ Nangataka an'i Mgr Andrianandraina Jeannot Martial tamin'ny Diôsezin'Antsirabe omaly ny Diôsezin'i Morondava. Izy izay notendren'ny Pape Léon-XIV ho Eveka mpanampy any Morondava... ♦ Nanome baiko ny mpitandro filaminana sy miantso firaisankina amin'ny vahoaka Malagasy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika manoloana ny fangalarana ankizy niseho tato ho ato izay. Namangy ny fianakavian'ireo very ka namoy aina ny Kôlônely Randrianirina Michaël omaly... ♦ Mamaramparana ny dingana natao tany amin'ny Faritra 24 eto amin'ny nosy ny kômity mpanomana ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tanora...

Voaantsoa ho amin'ny fifankatiavana isika olombelona. Ny hafatry ny Evanjely no manentana sady mamporisika antsika hifankatia? Izay no toetra hahafantaran'ny olona fa mpianatra sy mpanaradia an'i Kristy marina isika. Tsy ho afaka amin'ny antson'i Kristy io isika, satria io no lalan-tokana mitondra antsika makany amin'ny fifandraisana araka an'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

♦ Nadikan'ny Filohan'ny Fanavaozana ho asa fampihorohoroana noho ny fitiavan-tena ara-politika ny fahaverezan'olona sy von'olona tato ho ato ka nanomezany baiko ny mpitandro filaminana... ♦ Nosantarina androany ny telo andro handravonana ny fehin-kevitry ny fikaonandohan'ireo tanora tany amin'ny Faritra samihafa, mialohan'ny fandravonana farany atao amin'ity volana jolay ity... ♦ Nifarana androany tolakandro ny fanadinana BEPC, ho an'ireo mpiadina Option B... ♦ Nigadona androany tao amin'ny toerana misy ny "mausolée" an'i Imam Ali, vinanton'ny mpaminany Mahomet ny fiara mitondra ny nofomangatsiakan'i Ayatollah Ali Khamenei...

♦ Niompana tamin'ny fandraisana fepetra momba ny raharaha mafana eto amin'ny firenena, ny resaka hala-jaza sy ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan'ny antenimieram-pirenena ny tatitry ny filan-kevitry ny ministra omaly... ♦ Volam-panjakàna madiodio 34 lavitrisa ariary no hiatrehana ny lisi-pifidianana vaovao hoy ny filohan'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana... ♦ Hanomboka ny 29 jolay 2026 izao ny asa fanamboarana ny tetezana lehibe "Fly Over" eo Anosizato araka ny fampahafantarana nataon'ny teo anivon'ny Ministeran'ny Asa Vaventy nandritry ny dinik'asa natao omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...