• Mila fitoniana sy filaminana ny firenena, mba hisian'ny fampandrosoana haingana sy maharitra, hoy ny fikambanana ACS, ivondronan'ny Loholona sy ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha... • Natolotra ny Foibe Fikarohana ho an'ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra, na ny FOFIFA, ireo masomboly vary nohatsaraina nentin'ny delegasiona malagasy notarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, nandritra ny fitsidihana ofisialy tany Egypta... • Misy fahavakisana fantsona lehibe eo Mandroseza, ka miteraka fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny faritra maro eto an-drenivohitra, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny JIRAMA...
Efa mahasarika mpanjifa avy any ivelany ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FIER MADA. Mpanjifa avy atsy Afrika Atsimo, any Belgique ary atsy amin’ny nosy La Reunion no efa nilaza fa ho avy hividy ny vokatry ny tantsaha. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA andiany faha 27 amin’ity taona ity. Hetsika ara-toekarena tanterahana eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo Renivohitra nanomboka ny alarobia 06 Aogositra hatramin’ny alahady 09 Aogositra izao...
• Tontosa omaly ny fihaonana teo amin'ny PDS an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny solontenan'ireo sendika eo anivon'ny mpiasa, nandinihina ny tambin-karama fanampiny momba ny trano fonenana... • Mirona ary mizotra amin'ny dinika politika ny ankamaroan'ireo mpanao politika, saingy mametraka fepetra amin'ireo izay afaka handray anjara amin'izany... • Hiakatra kianja indray anio ny Ankoay Zazalahy eo amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika amin'ny taranja Afrobasket latsaky ny 18 taona...
• Hametrahana tetikasa fanodinana ny ranomasina ho rano fisotro madio any Ambovombe Androy. Vita sonia omaly, ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany... • Tokony haato aloha ny fanavaozana ka saziana avokoa ireo mpitondra nafandimby tamin'ny Repoblika Fahefatra rehetra sy ny mpitondra ankehitriny, izay samy nanitsakitsaka ny Lalam-panorenana, hoy ny Fiverenana an-doharano... • Hisy fiantraikany amin'ny fiharian'ny sehatra tsy miankina ny hampakaran'ny Banky Foiben'i Madagasikara ny tahan-jana-bola fototra ho 12,5%, hoy ny mpahay toe-karena ao amin'ny CREM...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco