Manamafy hatrany ny fandaharana fa ny fifanajana sy ny fanajana dia manana ny lanjany ary antoka mahatsara ny rafim-piaraha-monina. Ny raim-pianakaviana no fitaratra ho an'ny zanaka lahy ary manana adidy lehibe izy hampiseho toetra mendrika ho an'ny ankohonany. Sarobidy ny ray, lohan'ny ankohonana, mitarika sy manabe, izy noho izany no miantoka ny fahatsarana na fahapotehan'ny fiainan'ny fianakaviana manontolo. Mahatsara ny fiaraha-monina ny fihavaozana izay mitaky fahatsiarovantena amin'ny toe-javatra maro... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Niombom-po tanteraka tamin'ny teto amin'ny RDB ireo mpihaino tonga marobe nandritry ny varavarana misokatra notanterahana tety Ivato omaly. Tratra ny tanjona ho an'ny mpikarakara ; afapo tamin'ny fitsidihana ireo mpihaino... ♦ Miantso fitoniana amin'izao fotoana ankalazana ny fetim-pirenena izao ny mpanao pôlitika. Mila tadiavina ny marimaritra iraisana manoloana ny olan'ny fitanterana eto Madagasikara hoy Andriamatoa Régis Ramamonjisoa... ♦ Nafindra ao Ambavarano ny toera-piatsonan'ny taxibe ao amin'ny Kaominia Ambohidratrimo. Notokanana tamin'ity herinandro ity ny foto-drafitr'asa vaovao momba izany...

♦ Vavolombelon'ireo vanim-potoana nolalovana teo amin'ny tantaram-pirenena sy ny raharaham-piangonana ary mbola vonona hiatrika ireo fanamby manoloana ny fivoarana amin'ny tontolon'ny serasera ny Radio Don Bosco amin'ny 30 taona izao... ♦ Handray ny tambin-karamany volana mey mialohan'ny 26 jona ireo mpiasa miandraikitra ny fanoratana anarana biométrique, mbola tsy nisitraka izany... ♦ Homen-danja ny hevitry ny eny ifotony sy ny Malagasy manoloana ny olana ara-tany izay tena mampikaikaika ny Malagasy, hoy ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany...

Ny fahatsiarovantenan'ny tsirairay no fanohitra ho amin'ny fitiavan-tanindrazana. Isaky ny manao fanamarihana sy fankalazana ny fitsingerenan'ny taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara dia misongadina hatrany ny teny hoe "fitiavan-tanindrazana". Ny atao hoe fitiavan-tanindrazana dia azo adika ho fitiavana an'i Madagasikara ; azo haseho amin'ny alalan'ny fitafiana, fiteny, kolontsaina, fanabeazana na zavatra na toetra amam-pihetsika hafa maneho ny maha Malagasy ny fitiavana ny Tanindrazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...