• Mety hisy ny fifanarahana politika, aorian'ny fihainoan'ny Filohan'ny Fanavaozana ireo ankolafin-kery politika ankehitirny... • Hiantraika amin'ny fiharian'ny sehatra tsy miankina ny hampakaran'ny Banky Foibe ny tahan-jana-bola fototra, hoy ny mpahay toe-karena iray eo anivon'ny CREM... • Nahazo Filohan'ny Delegasiona Manokana hitantana azy ny Kaominina Ambanivohitra Antsirabe. Ansian'ny fanambin'ny PDS ny momba ny karaman'ny mpiasa tsy voaloa nandritra ny volana maro...

♦ Anjaran'ny filohan'ny Antoko Malagasy Miara-Miainga Hajo Andrianainarivelo sy ny mpitarika ny Kômity Mpiaro ny Tolona (KMT) Ramatoa Lanto Rakotomavo no noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika teny Ambohitsorohitra, omaly... ♦ Misy ny fanetsenan'ny Fanjakàna ny banga amin'ny vidin'ny solika eto Madagasikara sy eo amin'ny tsena iraisam-pirenena hitsijovana ny sôsialy sy ny toe-karena hoy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Miantso ny tanora hitondra ny heriny sy ny fahaiza-manaony amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo...

♦ Nampahafantatra ny drafitra stratejika amin'ny fanavaozana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ao aminy ny OMNIS. Drafitra mifototra amin'ny fanokafana ny fahazoan-dalana fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara... ♦ Andro faharoa amin'ny FIER MADA : "Lalan-tany mateza tsara no ampifandraisana ireo toeram-pamokarana rehetra any ambanivohitra amin'ny tsenan'ny Kaominina" no loha-hevitra amin'ity andiany faha-27 ity... ♦ Nibata fandresena nanoloana an'i Gabon omaly y Ankoay lehilahy latsaky ny 18 taona, amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika any Cote d'Ivoire...

• Naseho ampahibemaso andraony ny drafitra stratejika amin'ny fanavaozana ny eo anivon'ny OMNIS, ho an'ny taona 2026-2030... • Efa mahasarika mpanjifa avy any ivelany ny Foara Irasam-pirenena ho an'ny Toekarena eny Ambanivohitra eto Madagasikara, na ny FIER MADA. Nivoitra izany nandritra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny FIER MADA andiany faha-27, tanterahana eny amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka... • Manao ezaka manokana amin'ny fanamboran-dalana mampifandray ireo kaominina ambanivohitra, mba ahafahan'ny tantsaha mamoaka ny vokany, ny Faritra Analamanga...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...