Mbola kely ny ankizy dia tokony ho beazina hahay hifandray amin'ny tontolo iainana manodidina azy. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny sekoly.  Tsy maintsy apetraka ny soatoavina ka izay no tovozina amin'ny hafa. Manampy ny zaza hahay hiara-monina ny fifaneraserana sy ny fifampikasohana amin'ny hafa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

5 aprily 2024 — Zoma amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)

♦ Nangataka ny hanoloana an-dRamatoa Isabelle Delattre, Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeana miasa eto Madagasikara, ny fanjakana Malagasy, araka ny navoakan'ny gazety iray atsy Afrika... ♦ Miahiahy amin'ny ain-dRamatoa Christine Razanamahasoa ny fikambanana BAM. Tsy fantatra mazava ny toerana misy ity Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha ity, tao aorian'ny didin'ny HCC, hoy izy ireo androany... ♦ Niakatra ho 20% ny TVA alain'ny fanjakana amin'ireo orinasa amin'ny fifandraisan-davitra. Io no mahatonga ny saran'ny Internet eto amintsika ho lafobe, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...

♦ Nametraka fitoriana ho an'ny kaominina Antananarivo Renivohitra eny amin'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna ny mpanolo-tsaina Ravololomanana Lalatiana. Tsy ara-dalàna hoy izy ny nanafoanana ny fampiasan'ny mpivarotra ny karatra biometrie... ♦ Nahafeno ny fepetra maha fahavoazam-pirenena azy ny takaitra navelan'ny rivo-doza Gamane. Mahatratra 89.000 isa mahery ny traboina. Foto-drafitr'asa, an'ny Fanjakana, maro no simba... ♦ Mampiranty ny sangan'asany eto Antananarivo ireo mpanakanto 22 avy aty Afrika, ka ny 5 amin'ireo no malagasy... ♦ Notafihan'ny jiolahy mitam-piadiana ny seminera zandriny Md Martial ao Port au Prince renivohitra Haïsiana...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...