♦ Niverina ho ady hevitra lehibe eto amin'ny firenena ny zotra-pifidianana tany amin'ny taona 2023, taorian'ny fitoriana ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, nataon'ny DLC eny anivon'ny Primatiora... ♦ Nisy indray ny fahatratrarana bolongam-bolamena tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Nanao bemidina nijery izany ireo tompon'andraiki-panjakàna notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana, omaly... ♦ Hihatra manomboka amin'ity alatsinainy ity ny fandaminana vaovao momba ny fifamoivoizana amin'ireo lalana manodidina an'i Mahamasina...
Masindahy Piera claviaire, Olomasina nanana ny fitiavam-bavaka manokana teo amin'ny fiainany ; nitolo-tena ary nanao voady amin'ny maha Zezoita azy, mba ho andevon'ireo andevo rehetra, izy no mpiaro ny "Continent Africain". Jacques Désiré Laval, Olontsambatra, hajaina manokana aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, nanampy ny olona tao amin'ny nosy Maurice. Ny fiavaozana sy ny fanavaozana dia mifahatra amin'ireto teny ireto : Fiombonana - Firaisan-kina - Fihavanana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 13 septambra 2026. Alahady faha-24 mandavantaona — A — Izay mamela no havela. Aleloia. Aleloia. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.Aleloia. Tsy azo atao kajikajy ny famelan-keloka. Tsy fetra ho amin'ny famelan-keloka no fampianarana nomen'i Jesoa, amin'ny hoe "Im-pitopolo fito" fa antso ho amin'ny famelan-keloka mandrakariva. Ny mpanara-dia an'i Kristy dia tsy tokony hanisa hoe "impiry no namela heloka" fa tokony hatsiaro kosa hoe "impiry izy no navelan'Andriamanitra heloka"...
♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo vovonan'ny sekoly tsy miankina mandà ny fampiharana ny fanovàna rafi-pibeazana any amin'ny kilasy famaranana... ♦ Nodisoin'ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany ny filazàna fa izy no nanome alalana ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny karàna hijanona eny an-toerana... ♦ Namaly ny fangatahan'ireo Ben'ny Tanàna ao anatin'ny Disitrikan'Ambatolampy ny Minisitra Mpiahy ny Faritra Vakinankaratra, Haingotiana Andriamadison, ka nanolotra fanampiana samihafa ho an'ny mponina... ♦ Olona 44 isa naratra, vokatry ny loza nihatra tamin'ny fiaran-dalamby tany Cleon...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco