♦ Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa ny fihaonana teo amin'ny filohan'ny Fanavaozana ny repoblika, Kôlônely Randrianirina Michaël, sy ny filoha lefitry ny vaomiera Eraopeana, Ramatoa Kaja Kallas, tany Bruxelles... ♦ Tsy nisy ny marimaritra niraisan'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena sy ny sekoly tsy miankina momba ny fampiharana ilay fandaharam-pibeazana vaovao amin'ity taom-pampianarana ity, nandritr'ilay fivoriana faharoa teny Anosy, omaly... ♦ VFM : Tafajoro sy nampahafantarina omaly, vovonan'ny Fihavaozan'i Madagasikara ho an'ny Distrika Ambohidratrimo...
• Mihenjan-droa ny tady eo amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Sekoly tsy miankina, momba ny fampiharana ilay fandaharam-panabeazana vaovao amin'ity taom-pianarana ity... • Tafajoro ary nampahafantarina ny vahoaka androany tolakandro, tetsy amin'ny Kianja Sentetika Ambohidratrimo, ny VFM Vovonan'ny Fihavaozan'i Madagasikara... • Ho fitsinjovana ny mpanjifa, manoloana ny mety ho fidangan'ny vidim-bary amin'ny fotoana maitso ahitra, no antony nanapahana ny hevitra tamin'ny Filankevitry ny Minisitra ny fampiatoana vonjy maika ny fangalana haba amin'ny vary afarana avy any ivelany...
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Ho hitan’ny mpanjifa ato ho ato ny mari-pamantarana na ny label ahalalana ny vokatra avy amin’ny ronono vokarin’ireo mpamokatra ao amin’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Eo ampanomana izany amin’izao fotoana izao ny tompon’andraikitra. Lalana iray ahafahana manome antoka ny mpanjifa izy io hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana Safidy Rabemananjara fa manaraka ny kalitao sy ny fenitra ara-pahasalamana ny vokatra atolotra azy ireo. Te hametraka sy hisitona ny sain’ny mpamokatra sy ny mpanodina ary ny mpiatsehatra rehetra amin’ny lalam-pihariana ronono ny MDB fa vokatra fantatr’olona ny vokatra voamarina...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco