♦ Nafindran'ny A.R.A.I tao amin'ny kaonty fitanana an'ny Fanjakàna ny volan'ny orinasa INJET noho ny fanatanterahana ny didim-pitsaràna navoakan'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly (PAC) ny 19 aogositra 2026 teo... ♦ Fepetra vonjimaika noraisina hampiakarana ny famokarana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo ny fandatsahana orana artifisialy sy fanafarana fitaovana avy any ivelany hanamboarana ny fahasimbana ao amin'ny TAC1 ao Ambohimanambola... ♦ Mivadika ho herisetra sy fandratrana olona ny raharaha ady tany teo amin'ny mpitandrina iray sy ireo Fokonolona ao amin'ny Kaominina Ambatomanjaka...

Eo amin'ny vanim-potoanan'ny fahatanorana no tena manano sarotra ny dingana, eo amin'ny fitohizanaina sy ny fanajana ny aina. Dingana tsy maintsy lalovana anefa ny fahatanorana, izany hoe ireo 17 hatramin'ny 25 taona, koa ilaina ny fahaizana miaina izany mba ho handram-piainana entina miatrika ny fiainan-tokantrano. Raha hitandro ny aina isika dia ny fikolokolina ny vatana no voalohany, ohatra ny momba ny sakafo, mba hasalamana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nihazo avy hatrany ny sekoly ambony fandalinana ny filôzôfia any Fianarantsoa hanohy ny fiofanana maha-relijiozy izy 8 mirahalahy nahavita ny fanononana ny voady voalohany niditra ho mpikambana ao amin'ny fikambanana Salezian'i Don Bosco... ♦ Tsy tapaka hisatra no tsy nahitana olana ara-teknika ary salama tsara ilay mpamily nanao lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona 2 sy nandratra olona miisa 7 teny amin'ny tonelina Ambohidahy hoy ny mpanao fanadihadiana savaranonando... ♦ Ny nomerika sy ny saina voatran'olombelona fanohitra ho an'ny fampivoarana ny fizahan-tany, lohahevitry ny ando manerantany hatao any Mahajanga...

• Miisa valo ireo tovolahy nanonona ny Voady Voalohany androany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... • Nisy ny maty, ao ireo mbola manaraka fitsaboana naratra ary efa nisy ireo nody, taorina'ilay lozam-pifamoivoizana teny Ambohidahy, ny tolakandro teo... • Niakatra ho adiny telo ny fahatapahan-jiro nifandimby, ankoatra ireo olana hafa izay mitarika ny tsy fisitrahana herinaratra avy amin'ny Jirama...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...