♦ Miampy iray indray ny karazam-bary vaovao azon'ny tantsaha Malagasy vokarina dia ny " Besalohy" izay niarahan'ny FOFIFA sy ny Foibem-pikarohana Japoney momba ny siansa mahakasika ny Fambolena JIRCAS, namolavola... ♦ Nosazian'ny Fitsaràna sazy anterivozona 10 taona an-tranomaizina nandritry ny fotoam-pitsarana notanterahina omaly talata ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Mpisandoka laharam-boninahitra fa tsy jeneraly no tompon'antoka tamin'ilay fiara ana manamboninahitra tra-tehaka nitondra rongony tany Betroka ny 30 aogositra teo hoy ny fampitam-baovao nataon'ny Ministeran'ny Foloalindahy Malagasy...
♦ Niatrika fitsarana teny amin'ny tribonaly ambaratonga voalohany teny Anosy, androany, ny jeneraly Ravalomanana Richard. 10 taona an-tranomaizina, sazy miatra, asa an-terivozina no azony... ♦ Hanohana ny FOFIFA amin'ny fanapariahana ny voka-pikarohana vitan'izy ireo ny Fanjakàna Malagasy. Nampahafantarina androany ny karazam-bary vaovao "Besalohy"... ♦ Namoaka ny andiany Fanilo sy Mahefa ny Sekoly ambony ESDES. Hentitra ny tale jeneralin'ny BIANCO, nampitandrina sy nanentana ireo tanora mba tsy ho voasarika amin'ny kolikoly...
♦ Miakatra fitsaràna eny Anosy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Ora vitsivitsy izay no efa nandeha ny fotoam-pitsaràna azy, momba ny resaka fanomezana baiko hampiasa hery tamin'ny hetsi-bahoaka tamin'ny taon-dasa... ♦ Nomena 15 andro hialàna eny amin'ny toby fiantsonana Fasankaràna ireo mpitatitra miasa eny an-toerana. Nasaina hifindra eny amin'ny toby fiantsonana vaovao eny Amoronankona izy ireo... ♦ Hafainganina ny fanomezana ireo hetra anjaran'ny Faritra sy ny Kaominina misy ny toeram-pitrandrahana vaventy eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola...
♦ Hisokatra anio eny Iavoloha ilay dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana karakarain'ny fitondram-panjakàna. Mpanao pôlitika sy Firaisamonim-pirenena maro no handrasana handray anjara amin'izany... ♦ Antsojay ny fampiatoana ireo mpitsara telo eo anivon'ny PAC amin'ny asany, hoy ny Sendikàn'ny Mpitsara eto Madagasikara. Nametraka fitoriana teny amin'ny Filan-kevi-panjakàna izy ireo, omaly... ♦ Vola 800 tapitrisa Dôlara no tsy tafiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakàna eto Madagasikara isan-taona, noho ny hosoka sy ny kolikoly. Efa 5% amin'ny harin-karena faobe izany...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco