♦ Efa hita miomankomana amin'ny ho tohin'ny raharaham-pirenena indrindra ny fiatrehana ny fifidianana ny ankamaroan'ireo antoko pôlitika... ♦ Olana mbola mitoetra eny amin'ny fiaraha-monina ny tsy fampiharana ny didim-pitsarana raikitra. Tandindomin-doza koa ny firenena manoloana ny tsy fahampiharana ny lalàna momba ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara... ♦ Misy ny fampitandremana noho ny alondrano araka ny fampitam-baovao avy amin'ny météo Malagasy... ♦ Namoaka fanambarana i Rosia androany fa hakatona ny consulat allemand any Saint-Pétersbourg...
♦ Nahazo PDS vaovao ny tanàna an'i Toliara rehefa tsy nisy Ben'ny Tanàna nitantana intsony, tato anatin'ny volana vitsivitsy... ♦ Mbola hitohy amin'izao fiandohan'ny herinandro izao ilay dinika fakàn-kevitra hanomànana ny fifidianana eny Iavoloha. Hitondra ny heviny indray ireo ray aman-dreny ara-drazana sy ireo filoham-pirenena teo aloha... ♦ Tena nisy ilay marary maty tampoka teo am-pandidiana azy tao amin'ny Hôpitaliben'i Manakara noho ny fahatapahan'ny herinaratra... ♦ Trano lehibe iray nisy rihana maromaro indray no nirodana tany New Delhi, renivohitr'i Inde, omaly. Olona maro no voatsindrin'ny korontana...
♦ Hanomboka anio ny taom-pianarana vaovao eto Madagasikara. Hizara roa volana dimy izany, ka tsy hifarana raha tsy ny 30 jona 2027... ♦ Mandrahona hitokona ireo mpiasan'ny Aviation Civile de Madagascar, mpikamban'ny sendikà Fisemare, noho ilay raharaha fampiantsoana teny amin'ny Bianco. Nanao fanambaràna izy ireo ny sabotsy teo... ♦ Mbola nampiato ny famokarana ny QMM, taorian'ilay zava-nitranga ny 30 aogositra teo. Nanamafy ny fahavononany hanohy ny fifampidinihina amin'ireo voakasika amin'ity raharaha ity ny orinasa... ♦ Nanomboka omaly indray ny dinika fikatsaham-bahaolana momba ny ady any Ukraine...
.../… Hisokatra indray ny varavaran-tsekoly. Hanomboka amin’ity herinandro ity ny taom-pianarana 2026 – 2027 eto Madagasikara, araka ny tetiandro ofisialy efa navoakan'ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ao ireo sekoly efa misantatra ny taom-pianarana vaovao anio Alatsinainy 07 septambra, fa ao ihany koa ny rahampitso na ny Alarobia izao. Hizara roa volana dimy izany, ka tsy hiato kely indray izao roa volana voalohany izao, raha tsy ny 30 ôktôbra, arahan'ny fialan-tsasatry ny "Toussaints".
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco