♦ Nihaona tamin'ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola Dokotera Ramiarison Herinjatovo Aimé ny mpiandraiki-draharaha ao amin'ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toe-karena i Etazonia... ♦ Nanamafy ny sendika ivondronan'ny kaomiseran'ny varotra sy ny fifaninana fa natao handrindràna ny tsena anatiny ny fanafarana vary, ary misy ny arofanina amin'ny fanafarana vary gaboraraka... ♦ Mitaky ny hanomezan-danja ny vondron'olona mivoy sy efa mampihatra ny rafitra Fokonolona amin'ny fikaonandoham-pirenena ny antoko Fy-M...
♦ Hamafisina ny fifandraisana ara-barotra eo amin'i Madagasikara amin'i Etazonia. Nivoatra izany nandritry ny fihaonan'ny mpiandraiki-draharaha eo anivon'ny masoivohon'i Etazonia eto Madagasikara sy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, Dokotera Ramiarison Herinjatovo Aimé... ♦ Nametraka fanamby ny hampiakatra hatrany amin'ny 40% ny tahan'ny vehivavy misehatra amin'ny pôlitika, sy ny fitantanana ny Firenena ny filoha vaovaon'ny vovonan'ny vehivavy misehatra amin'ny politika aty amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Voarakitra anaty bokibe iray, ireo antonta-kevitry ny voka-pikarohana momba ny Antrôpôlojia...
♦ Ho fampandraisana anjara ny rehetra amin'ny fifidianana, ny hizoran'izany anaty mangarahara ary eken'ny rehetra no isany tanjona anatin'ilay dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana karakarain'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Hanomana hetsika sendikaly goavana hijerena ireo olan'ny sendikan'ny mpiasam-panjakàna toy ny SECREN, ny ACM ary Air Madagascar sy ho fanamarihana ny faha-9 taona nijoroany ny Randrana Sendikaly... ♦ Mahatsiaro ho voafitaka sy nivadihan'ny minisiteran'ny fitanterana ireo kôperativa miasa eny amin'ny toby fiantsonana Fasan'ny karàna noho ilay fe-potoana 15 andro, hialana eny an-toerana...
Efa misy ny ezaka vita mikasika ny fampitovian-jo ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy, anefa mbola maro ihany koa no tsy tanteraka. Ny lalàna afahan'ny vehivavy misitraka zo sy lalàna miaro azy ireo dia maro no voadiaka sy tsy sitrahany. Ohatra mivaingana ny fampianarana sy ny fanabeazana, maro ny vehivavy tsy nomena fahafahana feno hianatra. Zava-dehibe anefa ny toerana sahanin'ny vehivavy, singa iray mampivelatra ny fianakaviana. Tokony misy fahafahana mitovy eo amin'ny lehilahy sy vehivavy, mba afahany mitombo sy mivoatra, samy mendrika fanajàna... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco