• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
♦ Nilamina ny tapak'andro maraina ho an'ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea hoy ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Ministry ny Fampianarana Teknika raha nitsidika ny foibem-panadinana teny amin'ny Lycée Rabearivelo sy Lycée Technique Mahamasina... ♦ Hanokatra ny varavarany hampahafantatra ny asany ho an'ny daholobe ny Fitsaràna Tampony manomboka rahampitso talata 21 jolay ary tsy hifarana raha tsy amin'ny zoma 24 jolay, izao... ♦ Efa vita tatitra any amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny olona voasaringotra tao ambadik'ilay raharaha fanotorana tany teny amin'i By-Pass, hoy ny MInisitry ny Fanajariana ny tany...
♦ Salezianina fito mirahalahy no nanonona ny voady ho mandrakizay, omaly alahady faha-19 jolay tany Betafo-Antsirabe... ♦ Mpiadina miisa 233.538 isa, no nisoratra anarana hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea amin'ity taona 2026 ity... ♦ Tompon-daka eran-tany ho an'ny taranja baolina kitra 2026 i Espagne rehefa nandresy an'i Argentine iray no ho ny tsy nisy... ♦ Velaran-tany mananika ny 1.200 Ha no may hotohoton'ny lelafo any amin'ny faritra Guadalajara any Avaratr'i Madrid Espagne hatramin'ny alakamisy 16 jolay teo...
Hafatr'i Kristy ny fifankatiavana : Didy vaovao no omeko anareo dia izao : Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Ny porofom-pitiavana aza ho an'i Jesoa Kristy dia ny famoizany ny Ainy. Manana hasina ny aina, koa aoka mba hanaja sy hiaro ny aina isika. Andrandraina ny fifamelan-keloka sy fiombonana afahana manavao tanteraka sy mampandroso ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco