♦ Nesorina tamin'ny toerany ny Ministry ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetry ny andro, Ramonjavelo Valéry, nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana notanterahina omaly talata 29 jolay... ♦ Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Toliara ny mpitarika ny Antoko Otrikafo Elia Rabevahiny, ny antoko izay avy namoaka fanambarana omaly talata milaza ho manahy amin'ny mety hisian'ny ra mandriaka ateraky ny fananganana fikambanana VOROMAHERY... ♦ Herinandro ho an'ny indostria eo anivon'ny SADC taona 2025 : Miondrana any amin'ireo firenena ivelan'ny rafitra avokoa ny 80% ny vokatra tokony hiodina eo anivon'ny SADC...
Jesoa Kristy dia olona iray, tonga teny tonga nofo, manana fomba roa satria sady tena Andriamanitra no tena olombelona ihany koa. Ny anjara asan'i Masina Maria manoloana ny tantaram-pamonjena dia mazava araka ny foto-pampianaran'ny Eglizy araka ireo lova-panahy voatahiry, miainga amin'ny Testamenta Taloha... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tsy Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro intsony, Andriamatoa Valéry Ramonjavelo, araka ny didim-panjakana nosoniavin'ny Filohan'ny Repoblika androany. Ny Praiminisitra Ntsay Christian no hisahana vonjimaika ny andraikitra, mandram-panendrena Minisitra vaovao... • Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny “Herinandron'ny fampiroboroboana ny Indostria”. Hetsika ara-toekarena hatramin'ny voalohan'ny volana aogositra izao. Nanokatra izany ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... • Nosoniavina androany ny fifanarama-piaraha-miasa eo amin'ny samy kaominina manamorona ny Lalam-pirenena faha-3, manomboka eo Ambohitrabiby hatrany Anjozorobe, hiatrika ny fiovan'ny toetr'andro...
♦ Hisy ny filan-kevitry ny ministra manokana anio, manoloana ny raharaha Aviation Civile de Madagascar. Andrasana raha hisy ihany koa fanalàna tompon'andraikitra amin'ity raharaha ity... ♦ Nampanantsoin'ny Ministry ny raharaham-bahiny ny masoivohon'ny vondrona erôpeana. Fampiantsoana voalaza fa noho ny fanehoan-kevitry ity diplômaty vahiny ity... ♦ Tafiditra anatin'ireo firenena miaina amin'ny karama farany ambany kely indrindra aty Afrika i Madagasikara. Tsy diso kajy raha mitaky 10 dôlara isan'olona isan'andro ny Randrana sendikaly, hoy ingahy Barson Rakotomanga... ♦ Natomboka omaly any New York ny dinika fikatsaham-bahaolana momba ny ady any Gaza...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco