Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia antoky ny fivelaran'ny zanaka, ary manana anjara toerana lehibe amin'izany ny vehivavy.  Ny vehivavy mijanona, miasa ao an-trano dia afaka miarina sy miray hina hampandrosoana ny firenena. Misy voka-tsoa ny fijanoan'ny vehivavy na ny reny miasa ao an-trano, isan'ireny misy hafanana sy maresaka mandavantaona ao an-trano, mitombo kokoa ny fifandraisana.  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny siatika dia aretin'ny hazon-damosina, ka ny retsika ao anatin'ny tsokan'ny hazon-damosona no tratry ny tsy fahasalamana, indrandra ny faritra ambanin'ny hazon-damosina. Ny asan'io retsika io dia miantoka ny fandrenesan'ny tapany ambany amin'ny olombelona. Ny olona 22 taona no miakatra no mety harary siatiaka ; antony : fahanteran'ny hazon-damosina, dona am-boina, miraikitra ny hazon-damosina, tsimok'aretina na otrik'aretina, homamiadana, raritsaina... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Mitohy ao amin'ny Kaominina Ambohitsilaozana, Ambohidava ary Imerimandroso any amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetik'asa dingana faharoa nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...

Ny fianakaviana dia andry voalohany hijoroan'ny fiaraha-monina izay fototra ijoroan'ny Fiangonana sy ny Firenena. Ny tsirairay eo anivon'ny ankohonana dia mila miezaka miara-miaina, mifanohana, mifanampy ary mifanaja, mba hampivelatra, sy ho antoky ny filaminana ara-piaraha-monina. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...