Solon-tenan'ny Eglizy eo amin'ny Diôsezy ny Eveka, noho ny fiombonany amin'ny Papa no maha-solon-tenan'ny Eglizy manontolo azy ampirasin'ny fiadanana sy fifankatiavana ary firaisan-kina. Ny Evekan'i Roma dia ny Papa. Izy no filoha sy fototra maharitra ary hita maso mampiray ny Eveka rehetra sy ny Kristiana. Ny Eveka dia mampandroso sy mitandro ny finoana ho iray... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nampiantsoin'ny Solombavam-bahoka teny Tsimbazaza androany maraina, ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Fivoriana nikaton-trano niresahana ny manokana ny momba ny tetibola natokana ho an'ny Solombavam-bahoaka no natao, hoy ny Minisitra... • Nidina an-dalambe naneho ny fitakiany indray androany ny mpianatry ny Sekoly Ambony Polytechnique Vontovorona. Nandrava ny hetsika tamin'ny entona mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana... • 10 jona, Andro maneran-tany ho an'ny asa tanana. Isan'ny nanamarika izany isika eto Madagasikara. An-tapitrisany ny Malagasy no mivelona amin'ny asa tanana. Mahavelona ny sehatr'asa, hoy ireo misehatra aminy...
♦ Mbola tsy fantatra 6 volana aty aorian'ny fivoahan'ny didim-pitsaràna ny daty hamerenana ny fifitianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ireo kaominina 12 isa. Manaitra ny CENI amin'izany ny Kmf/Cnoe... ♦ Mitokona indray ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona. Nidina an-dalambe indray izy ireo, nanomboka ny maraina teo noho ny olan'ny famatsiana jiro sy rano eny amin'ny tranon'ny mpianatra... ♦ Manahy sahady ny PMH fa hidàngana be ny vidim-bary, atsy ho atsy. Ratsy ny voka-bary any Ambatondrazaka, sompitr'i Madagasikara tamin'ity taona ity, raha ny tatitr'io fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa io...
♦ Hihaona mivantana eny Tsimbazaza ny alakamisy sy ny zoma izao ireo solombavambahoaka sy ireo mpikamban'ny governemanta. Fihaonana izay heverina fa hampafàna ny raharahm-pirenena amin'ity herinandro ity... ♦ Tsy nahitam-bokany ny fitakian'ny Fisemare ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an'ireo sendikalista roa, nampidirina am-ponja any Toamasina. Naneho ny alahelony ny faran'ny herinandro teo ity Sendikà ity... ♦ Hanomboka anio ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Kianja 6 no handray ny fanadinana hatrehan'ireo mpiadina maherin'ny 40.000...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco