Matetika mitarika ratra anaty ho an'olona mandrafitra ny fianakaviana ny fahatsapana fa voailikiliky ny ray aman-dreny na mpiray tampo aminy ny olona iray teo amin'ny fahazazany. Zava-dehibe ny fahaizana mifandray araka ny toetran'ny tsirairay avy, apetraka ho tombony ny fahasamihafan'ny toetra. Mila mitandrina isika amin'ny toetra sasatsasany. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

Alakamisy 8 desambra 2022 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

♦ Miisa 105 ireo Solombavam-bahoaka nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta. Tafapetraka teny Tsimbazaza, ny hariva teo izany... ♦ Ahemotra amin'ny alarobia 14 sy alakamisy 15 desambra indray, ny fifanatrehan'ny Governemanta sy ny Solombavam-bahoaka, izay saika hatao rahampitso alakamisy sy zoma izao... ♦ Nihanahery vaika ny hetsika nataon'ny mpianatry ny ENS Ampefiloha androany. Nisy ireo naratra vokatry ny savorovoro teny an-toerana...

♦ Naharatràna olon-tsotra sy mpitandro ny filaminana ny fitokonana nataon'ireo  Normaliens nampian'ny mpianatry ny ENS, teny Ampefiloha, androany maraina... ♦ Velon-taraina amin'ny tsy fivoahan'ny marina momba ilay mpianatra iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Manakara, ny fikambanan'ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo avy any Fitovignany... ♦ Taolam-paty miisa 397, avy any Nosy-Varika, no tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena afak'omaly. Olona miisa 07, no voarohirohy efa voasambotra hanaovana famotorana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...