♦ Manao ezaka amin'ny ady atao amin'ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina ny firenena aty amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana. Zava-mahadomelina mahery vaika 1,5 taonina no sarona nandritra ny volana mey sy jona lasa teo... ♦ Manohana an'i Madagasikara amin'ny fampiroboroboana ny voly vary safiotra ny FAO. Nitsidika ny foibe famokarana tetsy Andranovaky Mahitsy ny tale jeneraliny Dokotera QU DONGYU niaraka tamin'ny delegasiôna notarihany ny faran'ny herinandro lasa teo ... ♦ Medaly alimo miisa 5 no norombahan'i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika ho an'ny taranja Karaté natao tany Abuja Nigeria tamin'ny herinandro teo...

♦ Nanonona ny voady mandrakizay, tany Betafo, omaly, ireo frera miisa 4 mirahalahy an'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco. Niatrika ny Sorona Masina tamin'izany ny Lehiben'ny Fikambanana Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston... ♦ Tsy voahaja ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana sy ny fisarahan'ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana fitsaràna hoy ny mpisolo vava Maître Rafidison Eric, tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny filohan'ny repoblika tamin'ny haino aman-jery momba ny raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza... ♦ Hametraka jiro manazava ny tanàna mandeha amin'ny herin'ny masoandro ho an'ireo mponina iasany ny orinasa Bondy...

Tsy azo ihodovirana intsony ankehitriny ny fampiasana ny tambazotran-tserasera eo amin’ny fampitam-baovao haingana hoan’ny vahoaka, manoloana ny fivoaran’ny fanatontoloana sy ny teknolojia misy amin’izao fotoana izao. Misy ny vokatsoa azo avy amin’izy io. Fampitam-baovao tena mahomby hoan’ny fiarahamonina tokoa, mahatonga ny fifanampiana rehefa misy ohatra ny fahaverezan’ny ankizy iray, ny fanampiana amin’ny resaka fahasalamana sy ny fahasahiranana, ny fizarana ny zavatra mahasoa sy ny sisa. Mbola mila ezaka goavana nefa ny fifehezana ny fampiasana ny tambazotra sosialy eto amintsika.

Zava-dehibe ny maha iray an'izay rehetra miaina amin'izao tontolo izao ity. Ny olombelona dia iray ihany ary tokony ho tombontsoa iombonana daholo no hery manetsika ny tsirairay mba ho fampandrosoana ny isam-batan'olona. Ny tena fitiavan-tanindrazana dia fiombonana, mila manao ezaka ny rehetra mba tsy hosaratsarahan'ny finoana samy hafa, ary ny fivavahana dia tsy tokony hatao fitaovana hampisarahana ny olombelona...  Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...