Ny fanabeazana olom-pirenena dia fampahafantarana azy ny zony. Ny hoe verezin-jo dia ireo olona ampidinina amin'ny laharana ambany noho izay efa misy azy. Tsy ny mpanao pôlitika irery no mila mandray andraikitra amin'ny fampandrosoana ny firenena fa ny olom-pirenena rehetra. Ny olona manam-bola ankehitriny no maro mitantan-draharaha fa tsy ireo olona nianatra sy manana traik'efa ; ilaina hampianarina any an-tsekoly ny "pôlitika" amin'ny maha hay fitantanana ny tanàna azy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Olona maromaro no efa nahiditra am-ponja sy hanaovana fanadihadiana momba ny fisolokiana amin'ny fanadinana Bakalôrea hoy ny Ministry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tsy mbola misy hoy izy fivoahan'ny laza adina mialohan'ny fotoana... ♦ Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana teny Anosy omaly ireo fianakaviana manana maty nametraka fitoriana noho ny raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza... ♦ Vonona amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 i Madagasikara hoy ny Ministry ny raharaham-bahiny... 

Mety hisy fiheverana tokoa ary maro mihitsy aza no manontany hoe tsy afaka miaina amin'ny tena maha-olona azy ny relijiozy. Tsy misakana velively ny fivelaran'ny maha-olona ny fanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly, fa vao mainka azy tena mahasoa azy, na dia eo aza ny famoizana ireo haren'ny tany. Ny fandraisana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly dia manadio ny fo... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

♦ Misy ireo olona nosamborina noho ny fisandohana ho mpiadina bakalôrea, tao koa ireo mpiadina nanao hosoka tsy afaka nanohy ny fanadinana intsony, ankoatra ireo nisoloky amin'ny laza adina izay efa notazomina am-ponja... ♦ Tanjon'ny fitoriana ataon'ny fianakavin'ireo lasibatry ny raharaha sampana hihazo Imerinkasinina-Ambohimalaza ny hamantarana ny marina indrindra ny hampiharana ny lalàna amin'ireo rehetra voakasika tamin'iny raharaha iny hoy ny mpisolovava... ♦ Efa vonona i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 hoy ny avy amin'ny fitondram-panjakàna androany...

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...