♦ Nihemotra ny fotoam-pitsaràna ny raharaha fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara. Tsy tonga teny amin'ny Fitsaràna fandravàna didy Andriamatoa Rabehaja Jean, izay notoriana amin'izao raharaha izao... ♦ Nidoboka am-ponja ny lehilahy iray, anisan'ny lohandohany amin'ny tambazotra mpisoloky laza adina amina fanadinam-panjakàna. Manao dika mitovy avy amin'ny boky "Lauréat" izy amin'izany asa ratsiny izany... ♦ Mitaraina ireo mpiasan'ny fahasalamana amin'ny fanatanterahana ny asa. Mbola hisy hetsika hatao rehefa feno ny fepetra, hoy ny sendià SIS.F.M satria tsy mihaino mihitsy ny Ministera tompon'andraikitra...
Ny fiainan'ny relijiozy dia antso sy fanompoana mandra-maty ; rehefa manonona ny voady ampahibemaso ny relijiozy dia mitalaho amin'Andriamanitra sy ireo Olomasina ary ny rahalahy na rahavavy iray fikambanana aminy mba hanampy azy tsy hivadihany amin'ny teny nomeny. Tsy afa-misaraka ny Fiangonana sy ny fanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly, isan'ireny ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
♦ Nahemotra amin'ny voalohan'ny volana aogositra, raha tokony natao androany teny Anosy, ny fitsarana ny raharaha fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara-I. Tsy tonga niatrika ny raharaha Andriamatoa Rabehaja Jean, ben'ny tanàna ao Toliara... ♦ Hangataka fihaonana amin'ny ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra sy hampahafantatra ny fijoroan'izy ireo eo anatrehan'ny mpanolontsainan'ny tanàna ny Observatoire Mahitsy Fijery... ♦ Nandrombaka medaly sady, ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika, taranja karate, tanterahina any Nigeria. Fifaninana iraisam-pirenena tanterahina any Abuja, nanomboka androany ka hatramin'ny 28 jolay izao...
Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo. Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco