Ny fizarana fahatelo dia ny "Katobim", misy tononkalo (poesie) sy teni-pahendrena, fitoriana fitiavana ; boky ohabolana misy teny mamy fampaherezana. Ny tokon-kira dia fampiasa amin'ny litorjia, mifanandrify amin'ny volana maro ao anatin'ny taon iray : Rota, Estera. Mifamatotra amin'ny fiainan'ireo Jody ny tononkalo, tononkira, ohabolana toy ny hoe fanangonam-bokatra, fahatsiarovana ny fanafahana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

• Miangavy ny olom-pirenena eto Madagasikara ny Arsevekan'i Toamasina, Son Eminence Monseigneur Désiré Cardinal Tsarahazana, mba hiala amin'ny herisetra. Maniry ny mba hahitana vahaolana amin'izao toe-draharaha izao ny Arsevekan'i Toamasina... • Nahery vaika ny famoretana sy ny fanenjehan'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana ny tolakandro teo, tao Antananarivo Renivohitra. Maro ireo naratra vokatry ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso, ary nisy tamin'izy ireny no ankizy... • Tafapetraka androany antoandro teny amin'ny Fitsarana Anosy, ny fitorian'ny Holafitry ny mpanao gazety ny FIGN sy ny GSIS, rantsana eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena. Izy ireo izay nikasi-tanana sy nanapotika ny fitaovan'ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany...

♦ Nametraka fitoriana mahakasika ny herisetra nahazo ireo mpanao gazety omaly ary mangataka fifonana avy amin'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny zandarimariam-pirenena ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Nanodidina ny 50 teo ireo olona efa voasambotra sy efa navotsotra nandritra ny hetsika "Leo delestage" nanerana ny nosy, izy ireo izay narovan'ny mpisolovava am-polony niasa an-tsitrapo... ♦ Tsy midika ho gaboraraka ny fanomezan-dàlana haneho-hevitra hoy ny fanambarana nataon'ny teo anivon'ny EMMONAT, nilaza ny hijoro hiaro ny tany tan-dàlana izy ireo...

♦ Hanatevin-daharana ny hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" eny Ambohijatovo anio voalohan'ny volana oktobra ny sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA, hetsika izay tsy nahazo alalana avy amin'ny prefektora ny fanatanterahana azy... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe ihany koa manomboka anio alarobia ny mpiasam-panjakàna izay tarihin'ny valaben'ny firaisankinan'ny sendikan'ny mpiasam-panjakàna (SSM)... ♦ Voatohitohina amin'ny fanatanterahana ny asany ireo mpanao gazety manao ny fandrakofam-baovao amin'ny hetsika "leo delestazy sy tsy fisian'ny rano", mijoro miaro ny mpanao gazety araka izany ny holafitra sy ireo fikambanan'ny mpanao gazety marolafy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...