♦ Niaiky amin'ny fisian'ny fahatarana amin'ny fandraisana andraikitra ny filoha Andry Rajoelina, izay efa eto an-tanindrazana nanomboka ny sabotsy 17 septambra teo... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famerenana ny fampianarana ireo sekoly amin'ity alatsinainy 29 septambra 2025 ity... ♦ Mbola hanamafy  ny hetsika maity anio alatsinainy 29 septambra 2025, ireo tanora indray mihira "Z" (Gen Z)... ♦ Mampitovy tadindokanga ireo kandida filoham-pirenena avy amin'ny hery fanoherana any Cameroune...

Ny Testamenta Tranainy dia Testamenta Taloha ihany ; ny mpanoratra dia notsilovin'ny Fanahy Masina, manana ny maha izy azy : niteny tamin'ny sokajin'olona tamin'izany vanim-potoana izany. Mba tsy hivily dia ao am-piangonana no andraisana ny  hevitry ny Tenin'Andriamanitra, vakiana miaraka amin'ireo efa nanao ny fandalinana mba tsy hivoana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Manana andraikitra haneho fifampitsimbinana ny Malagasy rehetra. Ny fitoniana dia singa iray afahana mikaroka vahaolana amin-javatra maro, atao toetra fototra ny fahitsina, ialàna ny famitahana. Ny tompon'andraikitra ara-panjakàna, olom-boafidy, ireo mpandraharaha, olom-boatendry dia mila manao ho zava-dehibe ny soa iombonana fa tsy hanao asa mifanohitra amin'ny fitsipi-pitondran-tena. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ekena tsy misy tomika lalan-dava àry ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fahamasinany ao amin'ny Soratra Masina, ary anefa miharihary koa ny fietrena mampitolagaga nasehon'Ilay Fahendrena mandrakizay "mba hahalalantsika ny hatsaram-po tsy hay lazaina misy ao Aminy sy ny rindram-piteny nampiasainy mba hitsinjovana sy hitandroana ny maha olombelona antsika"... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...