Teraka tao Espagne ny 17 mey 1540 i Pascal, zanaka mpamboly manetry tena izy io ary feno hatsaram-panahy kristianina. Vao fito taona monja dia efa niandry ondry izy, ary ny fotoana tamin'izany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny famakian-teny, ary voalaza aza fa, ny anjely mihitsy no tonga eo mampianatra azy.
17 mey 2025 — Sabotsy, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 7-14)
♦ Namoaka ny andiany faha-13 nisalotra ny anarana hoe : "Fanantenana" niofana arak'asa tao aminy, ny foibe misahana ny fahaleovan-tenan'ny vehivavy eny amin'ny FMA Ampasanimalo androany... ♦ Manohy ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ny MInisteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Notoloran'ny Ministry ny Fahasalamana fitaovana ireo Ivon-toeram-panofanana mampiofana ho Paramedy na ny IFIRP manerana ny Nosy... ♦ Ny 2% amin'ny fiofanana momba ny famokarana ihany no mipaka mivantana eny amin'ny tantsaha, ary ny 10% amin'ny famatsiam-bola ihany no tonga eny ambanivohitra, hoy ireo tantsaha mpiofana...
Manana otrik’arena goavana ara-tontolo iainana ampandrosoana ny firenena ny faritr’i Sofia. Havokavoky ny karazan-javamanan’aina eto amin’ny nosy ity faritra ity hoy Dokotera Manantsoa Clermond, Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Sofia. Isan’ny mitana ny laharana voalohany noho ny fananany morontsiraka 450 kilometatra, sy helidrano miisa dimy ny faritra.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco