28 mey — Zanak'olona manan-katao i Masindahy Germain. Tao Autun izy no teraka. Nalaim-panahy ny reniny saika hanala azy tamin'izy mbola tany am-bohoka, ary ny nenitoany tao Avallon, nandritra izy nianatra dia saika hanapoizina azy ihany koa, kanjo ilay zanaky ny nenitoany indray no nahasotro ilay poizina ka nalemy manandram-pahafaty.
• Tontosa androany tany amin'ireo diosezy manerana ny nosy ny fanadinana CEPE Katolika. Tombana anatiny ary anehoana ny fiombonan'ireo sekoly katolika rehetra manerana ny nosy no antony anaovana ny fanadinana, hoy ny tompon'andraikitra... • Atao eny Anosy mandritra ny roa andro, nanomboka androany, ny fikaonan-doha ho fanetsehana ireo famatsiam-bola sy ireo fiaraha-miombona antoka maharitra ho an'ny jono sy ny fihariana anaty rano... • Feno 190 taona amin'ity taona ity ny Baiboly Malagasy voalohany. 60 taona koa ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy na ny FMBM. Hatao ny 21 jona 2025 etsy amin'ny CCI Ivato ny ivon'ny fankalazana...
♦ Nilamina amin'ny ankapobeny ny tapany maraina ho an'ny fanadinana CEPE Katôlika ho an'ireo sekoly katôlika manerana ny nosy... ♦ Hentitra ireo fepetra napetraka ho an'ireo mpanatrika ny Fivoriamben'ny Sampana eo anivon'ny Sendika Seces androany teny Ankatso... ♦ Ankoatra ny olan'ny fifidianana kaominaly izay mbola tsy vita famerenana, mitarika olana hafa koa ny fanendrena sefo fokontany ankehitriny... ♦ Nirary soa ary nanentana ireo mpandray anjara amin'ny Fivahinianana Masina izay tafiditra anatin'ny Jaobilin'i Afrika, tao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera, ny Papa Léon-XIV...
Ho fanandratana ny "Teny Malagasy" dia ankalazaina isaky ny volana JONA ny iray volan'ny teny Malagasy, tompo-marika amin'izany ny Foibe momba ny teny an'ny Akademia Malagasy. Ny ohabolana sy ny famoronana no voizina amin'ity taona 2025. Ny ohabolana dia karan-dahabolana Malagasy ary iombonan'ny Malagasy rehetra, lahabolana efa nisy tamin'ny faha-Ntaolo ary mbola ampiasaina ankehitriny. Ny ohabolana dia hatarafana fananarana sy fanabeazana ary fampitàna hafatra, atao an'ohatra. Tsy mifidy taona na sarangan'olona ny famoronana ohabolana.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco