♦ Nandefa hafatra noho ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-62 ny Vondrona Afrikana ny filohan'ny SCEAM fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara. Nampitondraina ny lohateny hoe " Aoka ho mpanorina an'i Afrika iriantsika, isika" izany hafatra izany... ♦ Tsy misy ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena, 65 taona aty aorian'ny nahazoana ny fahaleovantena fa mitady hiverina ny fanjanahana amin'ny endriny vaovao hoy ny solombavambahoaka Gascar Fenosoa... ♦ Ny 20% amin'ny mponina tena mahantra eto Madagasikara ihany no misitraka ny fandaharan'asa haraton'aina, raha ny nambaran'ny Banky Iraisam-pirenena...
Mahazo vahana tato ho ato ny fahaverezana zaza na ankizy tsy ampy taona, miparitaka amin’ny peta-drindrina, na ny tambazotran-tserasera samihafa ny filazana izany. Manaporofo izany ihany koa ny tatitra nomen’ny Polisim-pirenena izay milaza fa miisa 45 ny filazana zaza very voarain’izy ireo tao anatin’ny dimy volana voalohany tamin’ity taona 2025 ity, ka ny 17 tamin’ireo dia voaray tamin’ity volana mey ity fotsiny.
♦ Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny Seminera, izay no nanamarihana fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Fianakaviana Masina Ambohipo omaly Alahady... ♦ Natao hanoroana lalana sy ny hijerena ny ho avin'ny mpianatra any aoriana ny "Salon de l'avenir" nokarakarain'ny EESCATHO fikambanan'ireo Sekoly ambony katôlika eto Madagasikara, teny amin'ny ESCA Antanimena ny sabotsy teo... ♦ Trano fonenana miisa 500, amin'ny faritra samihafa eto Madagasikara no kendren'ny orinasa SEIMAD ho vitaina amin'ity taona 2025 ity... ♦ Olona miisa 22 no namoy ny ainy omaly tany Ranyones-Gaza vokatry ny daroka baomba Israelianina...
26 mey — I Philippe Néri dia teraka tao Florence ny 21 jolay 1515. Notaire ny rainy. Tao amin'io toerana io ihany koa izy no notezaina. Nantsoina hoe Philippe kely tsara fanahy izy tamin'izany, noho izy tsara toetra sy malefaka ary mahatehotia.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco