01 marsa — I Eudoxie dia misy ihany koa ny miantso azy hoe Eudocie na Eudocia. Martiry maty tamin'ny taona 114 izy io. Niaina nandritra ny nanjakan'ny Amperora Trajan i Eudoxie. Samaritanina nibebaka, vehivavy mpanan-karena niaina tao Héliopolis tany Liban ary niaina tao anatin'ny rendrarendran'izao tontolo izao.

Ny Fanahy Masina no loharano sy fototry ny fiombonana ary iry voalohany no mampiombona ny kristianina ho tena iray, ho Eglizy. Ny fanomezan'ny Fanahy Masina dia tsy natao ho an'ny tenan'izay mandray fa hanasoavana ny hafa, handrafetana ny fiombonana. Ny firaisan'ny Kristianina dia fanehoana mafy ny maha eo anivon'izao tontolo izao an'i Kristy... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

1 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)

• Tany amin'ny 105 km atsimon'i Bevoalavo Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza Honde, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Nihemotra ho amin'ny 28 marsa 2025 indray, raha tokony ho natao androany teny amin'ny Fitsarana Anosy, ny fotoam-pitsarana ny raharaha fampiakarana nataon'Andriamatoa Barson Rakotomnaga sy ny Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina... • Efa manomboka hita taratra ny fivoarana eo amin'ny paikadim-pirenena hampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga eto amintsika ankehitriny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...