Ny ataon'ireo manodidina dia mahatonga fisalasalana, mahatonga fanilikilihana satria rehefa tsy mifanaraka amin'ny fanaon'ny olona dia voahilika, tsy ara-miaraka. Ao anatin'ny olona ihany no isehoan'ireo karazana ady maro, mahatonga ny fiaraha-monina tsy hifankahazo ; ny tsy hafahaizana mionona no miteraka fitsiriritana sy fakam-panahy... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

27 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)

• Tany amin'ny manodidina ny 485 km andrefana somary atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay “Forte Tempête Tropicale Honde”, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Olona miisa enina ankehitriny no efa nosamborina sy atao famotorana, momba ilay famonoana an'i Rasazy Narindra, Ben'ny Tanana voafidy tany Mangataboahangy... • Natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany tetsy amin'ny kianja manara-penitra Ambohidratrimo, ny “Caravane médicale Sarobidy ny Aiko”, andiany faha-32...

  • Tsy ekena ny fisian'ny tsy maty manota, tsy ekena torak'izany ihany koa ny fitsabahan'ireo olom-boafidy amin'ny fampiharana didim-pitsarana hoy ny filoha voalohan'ny Fitsarana tampony Hugues Yves Rajoelina...
  • Mitombo ny fahantrana manerana ny nosy, nitombo ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakàna, tsy araka ny vola miditra anatin'ny kitapom-bolam-panjakàna ny vola mivoaka, ambany ny famokarana, santionany tamin'ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena 2024 ireo...
  • Manana anjara toerana lehibe amin'ny fampidiram-bola ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakàna ny jono, ho an'ny jono makamba izao dia manodidina ny 15 hatramin'ny 16 lavitrisa eo isan-taona ny vola azo avy aminy...
  • Tsy misy fiovàna be misongadina amin'ny toe-pahasalaman'i Papa François mandritra ny fitsaboana azy ao amin'ny Hôpitaly Gemelli raha ny tatitra nataon'ny sampana mpampahalala vaovao ao Vatican...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...