♦Dinihina mandritry ny 10 andro mahery ny momba ny FEC sy ny FRD, famatsiam-bolan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho an'i Madagasikara. Mandalo eto Madagasikara ny iraky ny FMI tarihan'i Constant Lokeng Ngouana... ♦ 2 avrily andro natokana ho an'ny zandary : Nomarihana tamin'ny fanomezam-boninahitra ireo manamboninahitra nahavita be teo anivon'ny zandary saingy efa lasa nisotro ronono ny andro omaly... ♦ Mirona amin'ny fampiasana ny teknôlôjia vaovao hanaovana ny serasera ho an'ny fizahan-tany ny Ofisim-Pirenena ho an'ny Fizahan-tany na ny ONTM...
03 aprily — Niaina tamin'ny taona 1197 ka hatramin'ny taona 1253 i Richard. Teraka tao Angleterre izy, zanak'olona ambony razana izy ka nanan-karena be nefa vetivety foana dia nikorosy fahana ary tao aorian'ny nahafatesan'ny ray aman-dreniny dia nigadra noho ny trosa ny lahimatoa tamin'izy ireo.
3 avrily 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)
Ny olombelona, raha vao teraka dia efa miankin-doha amin'ny olona hafa fa araka ny mahalehibe dia mahaleo tena tsikelikely ; amin'ny faha-20 taona dia efa mahaleo tena, tompon'ny safidy. Ilaina hatrany anefa ny fiombonana sy fifamenoana amin'ny hafa mba ahafahana manohy ny fanorenana tokantrano. Mila mifankahalala ny olona roa hanorina tokantrano mba tsy ho tampoka ny fisehon-javatra maro lafy ao an-tokantrano (fanabeazana, vina...). Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco