02 aprily — I François dia teraka tamin'ny taona 1416 tao amin'ny tanana kely anankiray antsoina hoe Paule, ary izay no mahatonga ny anarany ho François de Paule, any Calabre any io toerana io. Niavaka ny fahazazany satria raha mbola kely izy dia efa voasintona sahady hiari-tory amin'ny fiambenana masina sy ny vavaka.

2 avrily 2025 — Alarobia, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy— Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 17-30)

• Nahita marimaritra iraisana ny mpivarotra ao Analakely sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hiverina hivarotra ireo mpivarotra rahampitso, tao aorian'ny fifampiresahana tamin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo. Nidina an-dalambe nitady vahaolana maharitra moa izy ireo androany... • Voaheloka higadra telo taona sazy mihantona ny Kolonely Fanampera. Hainga ny fizotran'ity raharaha ity. Natao avy hatrany androany ny fitsarana azy tao aorian'ny fiakarany fampanoavana... • Tanterahana eny Ivandry nanomboka androany hatramin'ny alakamisy izao ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny fako sy ny fiharian-karena mitsingerina, aty amin'ny faritra Afrika Atsinanana. Miisa 14 ireo firenena mandray anjara amin'izany...

♦ Manohy ny fitokonana indray ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely, nanomboka ny maraina teo. Mitangorona manoloana ny vavahadin'ny Lapan'ny Tanàna izy ireo, mitsipaka ny fandaminan'ny kaominina Antananarivo... ♦ Tokony hifona sy hiala tsiny amin'ny Malagasy ny filoha frantsay amin'ny fahatongavany eto Madagasikara, hoy Andriamatoa Tintin Ravonison, mpanaraka ny raharaham-pirenena... ♦ Feno 26 taona ny alahady 31 marsa teo ny Radio Haja any Antsirabe. Naharitra roa andro ny hetsika nanamarihana izany... ♦ Olona an-jatony no naratra, vokatry ny fipoahana tamin'ny toby fitehirizana entona fandrehitra tany Malaisia, 500metatra ny haavon'ny lelan'afo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...