♦ Mitohy androany ao an-drenivohitra ny fidinana an-dalambe ataon'ny vondron'ny kandidà. Mbola mikasa hiditra eny amin'ny kianjan'i 13 mey izy ireo. Nanolotra soson-kevitra hivoahana amin'izao krizy pôlitika izao ny antoko RTM tarihan'Andriamatoa Randriamampionona Joseph Martin... ♦ Manahy krizy pôlitika lalina, maety hahatapaka ny fanampianarana ny federasiôna ivondronan'ireo tale sy mpampianatra avy amin'ny sekoly tsy miankina manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Mitaky ny hanaovana fakan-kevitra vaovao amin'ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara ny FISEMARE. Maro ny andininy ao amin'ny volavolan-dalàna ankehitriny tsy mifanaraka amin'ny filàn'ny mpiasa...

Vanim-potoana faha-mpanjaka (nanomboka ny 1020 nifidianana an'i Saoly tamin'ny andron'i Samoela Mpaminany) : ny anjara teoran'ireo Mpaminany izay mampatsiahy mandrakariva ny tsy tokony hivadihana amin'ny fanekem-pihavanana tamin'Andriamanitra ka nanaovan'izy ireo teny fampitandremana ho an'ireo mpanjaka mivadika amin'izany. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

11 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 9-15)

♦ Niantefan'ny hafatry ny Fivondronambe'ny Evekan'i Madagasikara avokoa, ny mpiray tanindrazana... ♦ Nolanian'ny mpizaika rehetra tamin'ny dinika izay notarihan'ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena sy FFKM teny Tsimbazaza, ny hanemorana ny fifidianana izay ho Filohan'ny Repoblika.... ♦ Tsy misy antony, na inona na inona, tokony hanemorana ny fifidianana, hoy ireo Loholon'i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...