25 jona — Teraka tao Aquitaine i Prosper tamin’ny taona 390, mpianatr’i Masindahy Augustin d’Hippone izy. Tsy pretra izy, tsy martiry ary tsy nanao fahagagana fa ny tena nahafantarana azy dia ny ady ara-pinoana nataony niady tamin’ireo pélagiens.

24 jona — I Masindahy Jean Baptiste no ilay mpaminanin’ny Avo Indrindra nanambara sy nilaza ny fiavian’i Jesoa hoe Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izy ihany koa no nanao batemy an’i Jesoa teo amoron’i Jordany, ny nahatonga azy nantsoina hoe Jean Baptiste moa dia noho izy izay nanao batemy izay, izy no ilay mpialoha lalana ny Mesia.

23 jona — Teraka tao Castelnuovo any Asti ny taona 1811 i Joseph Cafasso. Zanak’olona tsotra izy, ary fahatelo amin’ny zanaka nateraky ny ray aman-dreniny. Ilay anabaviny nantsoina hoe Mariane moa no renin’ilay olotsambatra atao hoe Don Joseph Allamano. Hatramin’ny fahazaza i Cafasso dia nataon’ny olona hoe olomasina kely na tao amin’ny fianakaviany na tao an-tanana.

22 jona — Teraka tamin’ny taona 353 tao Bordeaux i Masindahy Paulin, Meropius Pontius Paulinus no tena anarany, zanak’olona manam-boninahitra sy mpanefoefo izy, nanana tany maro tany Italie, Aquitaine sy Espagne izy ireo. Poeta iray antsoina hoe Ausone fanta-daza tamin’izany fotoana izany no nampianatra an’i Paulin ary dia lasa mpandaha-teny sy mpanoratra tena nikoizana koa izy.

21 jona — I Masindahy Louis de Gonzague dia teraka tao Castiglione ny 9 marsa 1568, zanak’i Ferdinand Ier Gonzague sy i Marta Tana de Santena i Louis. Zaza voalohany izy ary ny reniny no tena niandraikitra ny fanabeazana azy ara-panahy. Mpino katôlika mafana fo ny fianakaviany ary maro ireo eveka sy kardinaly nipoitra avy amin’izany fianakaviana izany.

20 jona — I Masindahy Silvère no papa faha-58. Teraka tao Frosinone tao Campanie i Silvère, zanak'i Hormisdas. Voafidy ho papa ny 01 jona 536 izy, ary napetraka teo amin'ny Fiketrahana Masina ny 08 jona 536. Nanao ny andraikitra naha papa hatramin'ny 11 nôvambra 537 i Silvère. 19 ireo eveka nohamasininy nandritra izany naha papa azy izany, 13 ny pretra ary 5 ny diakra nametrahany tanana.

19 jona — I Masindahy Romuald dia teraka ny taona manonidinana ny 951, avy amin’ny fianakaviana Onesti, ducs de Ravenne. Sergio no anaran-drainy, nanabe azy tao anatin’ny fitadiavana fafinaretana izy io. Indray andro raha niady taminy ny rainy sy ny olona iray tao amin’ny fianakaviana dia i Romuald no nasain’ny rainy ho vavolombelona hanatrika ny adin’izy ireo izay niafara tamin’ny fifamonoana.

18 jona — Miaramila tao amin’ny tafika romanina i Léonce, ary mpitoka-monina iray no nampibebaka azy. Nozarainy tamin’ireo mahantra ny sakafon’ny tafika misy azy. Ary tsy niafina izy tamin’ny fitiavam-bavaka an’i Kristy, sy nanameloka ny fivavahana amin’ny sampy.

17 jona — Teraka ny taona 520 i Hervé. Harivian sy Rivanon no anaran’ny ray sy reniny. Harivian rainy dia mpihira tao amin’ny nosy Grande-Bretagne, ary efa niasa tao amin’ny lapan’ny mpanjaka Childebert. Mpivavaka sady madio ity rainy ity ka tsy azoazony ny nipetraka tao an-dapa, nanapakevitra izy fa hanokana ny fiainany amin’Andriamanitra.

17 jolay — I Masimbavy Marcelline dia anabavin’i Masindahy Ambroise, eveka tao Milan. Préfet du tribunal des Gaules ny rain’izy ireo. Ny papa Libère no nanolotra an’i Marcelline ny voaly maha relijiozy tao amin’ny bazilikan’i Masindahy Pierre tao Vatican.

16 jona — Teraka ny 31 janoary 1597 tao Fontcouverte, Aude i Jean-François Régis. Tsotra ireo ray aman-dreniny. Ary mbola kely izy dia efa niseho ho apôstôly raha izy nianatra tao amin’ny kolejin’ny jezoita tao Béziers. Teo amin’ny faha-19 taonany izy no niditra tao amin’ny noviciat tao Toulouse, ary modely ho an’ny mpianatra rehetra izy tao.

15 jona — I Masimbavy Germaine dia nantsoina hoe Germaine Cousin teraka ny 1959 tao Pibrac akaikin’i Toulouse. Zanaka tantsaha izy io, Laurent Cousin sy Marie Laroche no ray aman-dreniny. Taizan’aretina hatry ny fahakeliny i Germaine ary malemy ny tanany havanana. Mbola zaza mena vava izy no maty ny reniny ka ny renikeliny no nitaiza azy.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...