14 jona — Anarana fanta-daza ao amin’ny Baiboly ny hoe Elisée na Elisea arakaraka ny dikan-teny izay misy eo amintsika raha mamaky ny Bokin’ny Mpanjaka isika. Zanak’i Safata mpaminanin’ny lalàna, mpianatra sady mpandimby an’i Elie mpaminany.
13 jona — I Masindahy Antoine de Padoue dia i Fernando Martins de Bulhões no tena anarany. Fa ny anarana hoe Antoine dia tamin’izy tao amin’ny tranon-drelijiozy. Teraka tamin’ny taona 1915 tao Lisbonne i Antoine. Miaramila sady andriana moa ny rainy, taranak’i Charlemagne.
12 jona — Misy Masindahy Guy roa no ho resahintsika androany : ny voalohany dia i Masindahy Guy Vignotelli tao Cortone. Izy ity dia fransisikanina teraka tamin’ny taona 1187, andriana izy io fa mahay manetry tena sy mandray olona tokoa.
11 jona — Raha ny filazan’ny Asan’ny Apôstôly, i Barnabé dia Jody avy amin’ny fokon’i Lévi. Teraka tao Chypre izy io tamin’ny fotoana nanjanahana ny Jody tamin’ny vanim-potoanan’i Alexandre le Grand. Nobeazina tao amin’ny kolontsaina grika i Barnabé.
10 jona — I Landry resahana eto dia ilay eveka tao Paris. Talohan’ny nifidianana azy ho evaka dia voalaza fa hoe mpiasam-panjakana tao amin’ny lapan’i Clovis II tany amin’ny taona 640 i Landry. Izany hoe tany amin’ny taonjato fahafito tany.
09 jona — Teraka tao Syrie tamin’ny 306 i Éphrem, ary nodimandry ny 09 jona 378 tao Édesse ao atsimon’i Turquie amin’izao fotoana izao. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no nibebaka ka lasa kristianina. Nandalina sy niofana ho an’ny sakramentan’ny filaharana izy fa nijanona teo amin’ny maha-diakra noho ny fanetren-tenany na dia fanta-daza aza izy tamin’ny maha teôlôjianina azy.
08 jona — Teraka ny 27 novambra 1838 tao amin’ny tanana kely atao hoe Montlogis tao Polminhac ao amin’ny Cantal tao Auvergne i Jacques Berthieu. Mpamboly sy mpiompy ny ray aman-dreniny izy no zokiny indrindra tamin’ireo fito mianadahy velona notaizan’izy mivady. Tao amin’ny seminera zandriny tao Pau izy no niantra talohan’ny niofanany ho pretra tao amin’ny seminera zokiny tao Saint-Flour.
07 jona — Tany amin’ny faraparan’ny taonjato faha XI tany ho any i Gilbert no teraka tao Auvergne. Anisan’ireo mpanara-dia an'i Masindahy Norbert tao amin’ny fikambanana Ordre des Prémontrés moa izy. Miaramila mpitaingin-tsovaly tao amin’ny tafiky ny mpanjaka Louis VI i Gilbert ary nandray anjara ihany koa tamin’ny ady faharoa ho fanafahana ny Tany Masina ny 1147–1149, niaraka tamin’ny mpanjaka Louis VII.
06 jona — I Masindahy Norbert dia teraka tao Xanten, tanana kely ao Rhénanie, manodidina ny taona 1080. Taranaka amperora ny ray aman-dreniny avy ao Allemagne sy Lorraine. Mbola tanora izy dia efa nanana andraikitra tao am-piangonana nefa tsy nahatohitra ny fironany tany amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izany andraikitra noraisiny izany.
05 jona — I Masindahy Boniface resahana eto dia ilay arseveka tao Mayence, maty martiry tamin’ny 754. Teraka tao Crediton tao Angletera tamin’ny 680 i Masindahy Boniface fa mbola Winfrid moa no anarany tamin’izany. Nisy aretina nahery vaika nahazo azy tamin’izany fotoana izany. Izy anefa efa naniry handeha hiditra hitoka-monina fa tsy navelan’ny ray aman-dreniny.
04 jona — Teraka tao Lyon tokony ho tamin’ny taona 447 i Clotilde. I Chilpéric II, mpanjakan’i Burgonde no rainy ary i Carétène kristianina no reniny. Nobeaziny tamin’ny hatsaram-panahy sy fanajana ny martiry tao Lyon i Clotilde indrindra fa ny fanajana an’i Masimbavy Blandine izany.
03 jona — Tamin’ny fotoana mbola nanjakan’ny fanompoana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fihinana olona moa no tonga tao Ouganda i mompera Lourdel sy Ivinhac mba hitory ny Vaovao Mahafaly ary nonome azy ireo alalana malalaka ny mpanjaka Mudisha tamin’izany fotoana izany.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco