Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 14, 14-19)
Nijery izaho Joany, ka nahita rahona fotsy,
ary teo amboniny nisy olona nipetraka sahala amin’ny Zanak’Olona;
satroboninahitra volamena no teny an-dohany,
antsy fijinjana maranitra no teny an-tanany.
Ary nisy Anjely iray koa nivoaka avy ao amin’ny tempoly,
niantso tamin’ny feo mahery, ka nanao tamin’ilay nipetraka tambonin’ny rahona hoe:
“Alefaso ny antsy fijinjanao, ka mijinjà,
fa tonga ny fotoam-pijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.”
Dia nalefan’ilay nipetraka tambonin’ny rahona teny amin’ny tany
ny antsy fijinjàny ka voajinja ny tany.
Nisy Anjely anankiray hafa koa, nivoaka avy teo amin’ny tempoly any an-danitra,
nitana antsy fijinjana maranitra koa.
Dia nivoaka avy eo amin’ny otely ity Anjely manam-pahefana amin’ny afo,
niantso tamin’ny feo mahery,
ka nilaza tamin’ilay nitana antsy fijinjana maranitra hoe:
“Alefaso ny antsy fijinjànao,
ka toazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tanim-boaloboky ny tany, fa efa masaka ny voany.”
Dia nalefan’ilay Anjely tany amin’ny tany ny antsy fijinjàny,
ka notoazany ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin’ny famiazana lehibe,
dia ny fahatezeran’Andriamanitra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 95, 10. 11-12. 13
Ilazao ny firenena:
Manjaka ny Tompo!
Izao tontolo izao mafy orina, tsy hihontsona!
ny vahoaka tsarainy araka ny hitsiny!
Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany!
hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy,
hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy,
hanakora avokoa ny hazo any an’ala.
Mba hitsena ny Tompo:
fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!
Aleloia. Aleloia.
Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe:
“Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo,
ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.”
Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe:
“Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany,
ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?”
Ka hoy i Jesoa hoe:
“Tandremo sao ho voafitaka ianareo,
fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe:
‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’,
fa aza manaraka azy.
Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra:
fa tsy maintsy ho tonga aloha izany,
nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany.”
Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo:
“Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena,
sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana,
hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa;
eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apok. 14, 1-3. 4b-5)
Nijery izaho Joany, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr’i Siôna ny Zanak’ondry;
olona efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no nanaraka Azy,
ary voasoratra teo an-kandrin’ireo ny anarany sy ny anaran-dRainy.
Dia nandre feo avy any an-danitra aho,
tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy;
ary ny feony izay reko dia toy ny kônsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa.
Nihira toa hira vaovao izy ireo,
teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra
ary teo anatrehan’ireo Anti-dahy;
ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany,
afa-tsy izy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy ireo,
izay navotana ho afaka amin’ny tany.
Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany.
Ireo no navotana avy amin’ny olona,
ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry;
ary tsy misy lainga eo am-bavan’izy ireo fa tsy manan-tsiny izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6
An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy,
izao tontolo izao sy izay monina ao aminy.
Fa Izy no nanangana azy teo ambony ranomasina,
sy nanorina azy teo ambonin’ny ony!
Iza no hiakatra ny Vohitry ny Tompo?
Zovy no hiorina ao amin’ny Toerany Masina?
Dia izay madio tanana sy mahitsy fo,
tsy mianiana tsy tò amin’ny namana!
Izy no hahazo ny tso-dranon’ny Tompo;
ny fahamarinan’ilay Andriamanitra Mpamonjy azy!
Izany no taranaka mitady Azy,
mikatsaka ny tavanao, ry Andriamanitr’i Jakôba.
Aleioia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanopy ny masony
ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra.
Dia nahita mpitondra tena anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy,
ka nanao hoe:
“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra;
satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an’Andriamanitra,
fa io kosa, dia tamin’ny fahantrany indrindra izy
no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Zava-dehibe ny fiombonana ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ao an-tokantrano sy eny amin'ny fiaraha-monina, zava-dehibe koa ny fahalalam-pomba, ny fahaizana manaja ny lalan'ny fiaraha-monina. Ny antoky ny fivoarana dia ny fanajana ny aina. Ilaina ny filaminana, ny fifanajana, fitandremam-pahasalamana. Tokony atao fiainanana ny fahaiza-mihaino ; atao zava-dehibe ny fahaiza-miaina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny aretina "ongobe" na "filariose" dia aretina efa ela no nisy teto Madgasikara. Aretina mamela takaitra ity aretina ity raha vao tsy voatsabo ara-potoana, izy io dia aretina azo avy amin'ny kaikitry ny moka atao hoe "Culex", ity moka ity no mitondra ny atodi-kakana "larve filaire". 6 hatramin'ny 12 volana no hitombony ao amin'ny olombelona ary lasa kankana lehibe. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.
Alahady faha-33 mandavantaona — B : Hiverina i kristy amin’ny farandro ; Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Nankahery ireo mpiara-belona taminy i Daniel. I Misely filohan'ny anjely mpandresy ny demony dia hiambina sy hiaro ny mpino ampahoriana, na eo aza ireo mpankahala ny fivavahana ; handresy ireo vesaram-pahoriana. Ankehitriny dia misy ireo milaza fa tsy misy Andriamanitra, ny fahafantarana ny fiverenan'i Kristy dia tokony hampitombo ny fanantenantsika...
Farito mazava tsara ny fikasàn'ny vavaka, ka mifantoka amin'izay tianao hangatahana, tadiavina ny vavaka atao. Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, mandondona dia hovohana ianareo. Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Ny Olomasina no modely amin'ny finoana sy ny faharetana amin'ny vavaka. Masindahy François d'Assise : nanova ny fony sy ny asa nanirahana azy ny fiainany nivavaka sy nisaintsaina ; naharitra nivavaka izy na dia teo aza ny fahoriana. Masimbavy Monica : nivavaka nandritra ny taona maro izy ho an'ny fiovam-pon'ny zanany lahy. Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
“Onena i Jesoa nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Mt 9,36)
Ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka mpiray tanindrazana tsy ankanavaka ary ny
kristianina katôlika.
Ho aminareo anie ny fiadanana!
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco