• Hivalona afaka ora vitsy ny taona 2024. Hitondrantsika jery todika fohy eto ny fiainam-pirenena amina sehatra samihafa tamin'ity taona ity...
  • Hamafisina ny fitandroana ny filaminana amin'izao fetin'ny faran'ny taona sy fandraisana ny taom-baovao izao. Manentana ny rehetra hahay hifety, mba tsy hitera-doza ho an'ny hafa ny eo anivon'ny Polisim-pirenena...
  • Voarara manomboka rahampitso ny fanjonoana sy fivarotana ora-tsimba amina faritra maro. Nisy ny fampahafantarana navoakan'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toe-karena Manga mifandraika amin'izany...
  • Milaza ny hikaroka sy hanasazy ireo tompon'antoka tamin'ilay lozam-piarahamanidina nitranga tany Khazakstan ny fitondrana rosianina. Loza nahafatesan'olona 38...

  • Hanao lahateny amin'ny haino aman-jerim-panjakàna anio faran'ny taona ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Andrasana izay mety ho ambarany momba ny raharaham-pirenena...
  • Hifamotoana amin'ireo hery velona mitovy fijery aminy ny zoma izao ny RMDM, manoloana ny raharaham-pirenenaa. Hatsangana amin'izany ny Kômity hikarakara ny fikaonandohan'ny mpanohitra...
  • Misy andininy hitera-doza ho an'ny mpiasa malagasy anatin'ny fehezan-dalàna vaovao mifehy ny asa, hoy ny sendika SMARM sy ny Fisemare. Nifarana omaly ny atrik'asa niarahan'izy ireo nandinika io lalàna io...
  • Nifanakalo miaramila babo an'ady 150 isa avy i Ukraine sy Rosia omaly. Tanjona ny mba ho fanafahana ny miaramilan'izy ireo avy, amin'izao mialoha ny taona vaovao 2025 izao...

Mampatahotra ny fikatonan'ny olona amin'ny tenany, mety noho ny fijaliana anaty no mampikombona. Ny fijaliana anaty dia mety mampihidy ny tena, ary tsy tiana holazaina amin'ny olona hafa, Ilaina mandrakariva ny miresaka, avoaho izay mamesatra ao amin'ny fonao, aza itehirizana enta-mavezatra ao. Ny Soratra Masina dia mampianatra antsika hivavaka am-bava, amim-pahasahiana... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Hifamotoana amin'ireo hery velona mitovy fomba fijery aminy, ny RMDM amin'ny zoma izao...
  • Misy ny andininy manimba ary mety hitera-doza ho an'ny mpiasa Malagasy ao anatin'ilay fehezan-dalana vaovao mifehy ny asa, hoy ny Sendikà SMARM sy ny FISEMARE, androany...
  • Maromaro ireo aretina vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny rotsak'orana ary ny loto ankehitriny...

  • Nirehitra nanomboka ny alakamisy teo ny velaran-tany 20 Ha, ao amin'ny valan-javaboahary ao Ranomafana, Distrikan'i Fanadiana. Ny sabotsy teo vao tena voafehy ny afo...
  • Miisa 5 ireo olona nampidirina am-ponja vokatry ny fahamaizan'ny ala sy ny tanety tao amin'ny Faritr'i Fitovinany. Velaran-tany 765 Ha, no kilan'ny afo. Misy ny trano fonenana may ka olona 1000 no traboina...
  • Mametraka tolotra vaovao ho an'ny tantsaha mpikambana ao aminy ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra Nasiônaly. Tolotra hanampiana ny mpamokatra tohanan'ny vondrona eraopeanina mandritra ny roa taona...
  • Hatao andro fisaonana ny any etazonia ny 9 janoary 2025 izao noho ny fahafatesan'ny filoha amerikanina teo aloha Jimmy Carter...

  • Nosokafana omaly ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka Andohalo, nanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny taon-jôbily 2025 eto amin'ny Arsidiôsezin'Antananarivo. Nanokatra ny Varavarana ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
  • Tafiakatra any amin'ny dingana farany amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika tsy ahitàna ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany "CHAN" 2025 ny Barea CHAN. Tafita ny malagasy na resin'i Eswatini, na i Swaziland teo aloha, tamin'ny isa 1 noho 0, tatsy Maorisy aza...
  • Nahatratrarana fiarabe maromaro nitatitra hazo voamboana sy Nato tsy ara-dalàna indray tao Toamasina ny faran'ny herinandro teo. Olona miisa 8 no voasambotra nitondra ireo hazo ireo...

Ny vavaka dia miresaka amin'Andriamanitra - resaka entina hanomanana ny fanahy hanaisotra ao aminy ny fitiavana tsy mirindra mamatopatotra rehetra, hamantarana ny sitrapon'Andriamanitra ka mba handaminana ny fiainana. Ny vavaka ataontsika dia ambara amin'ny teny, vavaka fitalahoana, hira, tononkalo, mitatitra ny fiainantsika sy ny feon'ny zava-boahary rehetra... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Fampianarana feno ny vavaka nampianarin'ny Tompo, sady fangatahana fiarovana avy amin'Andriamanitra. Ilay teny famaranana "AMEN" dia manambara fankatoavana sy fanekena. Ny vavaka "Rainay any an-danitra..."  nampinaran'i Jesoa an'ireo Apôstôly dia mahafeno ny fepetra rehetra ho isan'ny vavaka tsara indrindra... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.

  • Mbola misy hatrany ny fikasana hanondrana antsokosoko ireo harem-pirenena malagasy. Nahitàna izany indray omaly ny tany Mahajanga. Tsy hisy ny fandeferana ho an'ireo izay tratra, hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovan-jafy...
  • Efa tena mandrefy ireo tompon'andraikim-panjakàna mihitsy ireo mpanao trafika hoy ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ; takian'izy ireo ny hampiharana sazy enjana ho an'ireo izay tratra...
  • Nanana ny toerana lehibe ary nisy fiatraikany mivantana ny fiaraha-miasan'ny fikambanana alemanina misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na ny GIZ sy Madagasikara...
  • Efa manomana tolo-dalàna hanoàna ny famotsoran-keloka ny filoha teo aloha Macky Sall ny governemanta Senegale, hoy ny praiministra Ousmane Sonko...

Alahady aorian’ny nahaterahan’ny tompo - fetin'ny fianakaviana masina : fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany ; Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny zanaka, mitondra hafaliana sy hasambarana eo amin'ny mpivady. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny mahazanaka antsika. Tokony hotsaroin'ny ray aman-dreny fa tsy izy ireo no tompon'ny zanaka fa adidiny no mampahafantatra ny antson'Andriamanitra ao amin'io zanany io. Manasongadina ny fifandraisan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny Eglizy ary manentana ny tsirairay haneho fifanajana, fifankatiavana... 

  • Mbola hitohy ato anatin'ny 2 andro ny fisitrahan'ny faritra maro orana tandrifindrahona mitsitokotoko ary arahin-kotroka hoy ny Météo Malagasy. Misy rindrin-drahona mitoetra koa any atsimo atsinanan'i Madagasikara...
  • Miditra an-tsehatra amin'ny fifehezana ny doro tanety any amin'ny Faritra Fitovinany ny BNGRC. Mifanindran-dalana amin'izany koa ny fijerena vahaolana miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka...
  • Maro ireo nisafidy ny hisora-panambadiana amin'izao volana farany amin'ny taona izao. Tafakatra 100 izany ho an'ny ao amin'ny boriborintany voalohany ao Antananarivo-renivohitra...
  • Miisa 27 isa ireo voaheloka ho faty any Vietnam vokatry ny trafika amin'ny zava-mahadomelina teo anelanelan'ny volana marsa 20218-novambra 2022...

Aza avelanao ho azon'ny fitaoman-dratsy izahay hoy ny ampahany amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo, vavaka afahana midify an'i Satana ; araka izay voalaza ao amin'i Matio 4, 1-11 : "Mandehana, ry Satana fa efa voasoratra hoe ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no ho tompoinao."... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...