• Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...

  • Hiara-hiasa, hifampizara antontam-baovao, ny ONE sy ny BNGRC, ary ny ONE sy ny SMA, mba hahafahana mandray fepetra momba ny fiarovana ny tontolo iainana. Tontosa teny Antanimora ny sonia fiaraha-miasa amin'izany...
  • Hisitraka orana tandrifindrahona arahin-kotroka ny faritra maro eto amin'ny nosy, ao anatin'ny telo andro ho avy, manomboka androany. Hidina ny mari-pana mandritra izay telo andro izay, indrindra amin'ny afovoan-tany...
  • Hitondra fampandrosoana ny tetik'asa Base Toliara, hoy ny Ben'ny Tanàna Dédé Vita Sidson. Ny tanànan'i Toliara izay efa nitondra ny anjara birikiny namaritra ny toerana hametrahan'ny orinasa ny fotodrafitr'asany...

Vaakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 40, 1-11)

Indro ny Tompo Andriamanitra fa tonga amin’ny heriny.

Ampionony, ampionony ny vahoakako, hoy ny Andriamanitrareo.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy:
fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:

“Misavà lalana any an'efitra ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra, ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka, ary ny vato mideza ho lembalemba”.

Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny.
Injay misy feo manao hoe:

“Miantsoa!”

Dia nisy namaly hoe:

“Ahoana no antso hataoko?” —
“Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny voan-javatra eny an-tsaha ny hatsaran-tarehiny.
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa seranin’ny fofon’ain’ny Tompo”.

Eny, ahitra ihany ny olombelona: maina ny ahitra, malazo ny voniny,
fa ny Tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.

Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra.
Lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe:

“Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny;
ny sandriny mampiasa ny fifehezana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 103, 1b-2. 3-4. 24b. 25. 27-28. 29-30

Misaotra Anao, Tompo, ny fanahiko, fa lehibe indrindra Ianao.

Fiandrianana sy voninahitra no itafianao,
hazavana no lamba ihodidinanao,
ny tranolainao dia ny lanitra mivelatra,
ny rihana fonenanao dia ny tampon’ny rano.

Ny rahona no ataonao kalesy,
ny elatry ny rivotra no isosànao;
ny rivotra no irakirakao;
ny tselatra, mpanompo kelinao.

Ny tany, henika ny harenao;
ny ranomasina indro lehibe sy malalaka,
mihelotrelotra no tsy tambo hisaina
na biby madinika na biby vaventy.

Ny manana aina rehetra miandry Anao
hamahana azy amin’ny fotoana;
Ianao manome, izy mandray,
ny tananao misokatra no mahavoky azy,

Manafin-taba Ianao, mipenimpenina izy;
ny fofon’ainy alànao: mody mandry izy;
ny fofon’ainao alefanao: àry izy,
ka indro mihavao ny endriky ny tany.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Tito (Tito 2, 11-14 ; 3, 4-7)

I Kristy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray.

Ry havako malala, efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra,
loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra,
mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao;
fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka,
miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika,
dia i Jesoa Kristy, Izay nanolo-Tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra,
sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa,
sady fatra-pitia ny asa soa rehetra...

Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,
dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony.
Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray,
sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, Izay nampidininy be dia be tamintsika,
tamin’ny alalan'i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika;
mba hohamarinin’ny fahasoavana isika,
ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia, aleloia.

Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy."

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 15-16. 21-22)

Nisokatra ny lanitra tamin’i Jesoa natao batemy sy nivavaka.

Tamin’izany andro izany,
raha mbola niandry ny olona sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy,
dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe:

“Izaho manao batemy anareo amin’ny rano,
fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho:
Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo”.

Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa,
ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra;
ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny voromailala,
dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe:

“Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

4 janoary 2025 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 35-42)

3 janoary 2025 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Tonga nofo ny Teny, ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 29-34)

2 janoary 2025 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 19-28)

1 janoary 2025 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 16-21)

31 desambra 2024 — Andro fahafito amin'ny Havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 1, 1-18

30 desambra 2024 — Andro fahenina amin'ny Havaloan'ny Noely — Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 36-40)

29 desambra 2024 — Ny Fianakaviana Masina — Fety — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 41-52)

  • Haverina eo ambony latabatra indray ny vinam-piaraha-miasa hanafoanana ny trosa nataon'i Madagasikara tamin'i URSS, ka havadika ho tetik'asa fampandrosoana aty Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny fitsidihana ôfisialy nataon'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona tany Moscou...
  • Nisitraka vatsim-pianarana avy amin'ny fitondrana Marokanina, ireo tanora miisa 18 mianadahy nahazo naoty mendrika tamin'ny fanadinam-panjakana Bakalorea Teknika taona 2023...
  • Very toerana roa indray ny ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Tsy nitsaha-nihemotra ity ekipam-pirenena ity tao anatin'ny efa-taona nisesy...

  • Nivoaka androany vao maraim-be, tao aorian'ny fiakarany fampanoavana, ny fanapahana momba ireo olona miisa dimy tratran'ny zandary nitondra sokatra tsy ara-dalàana teny Morondava Antehiroka. Mialokaloka any am-ponja vonjy maika ilay olom-boafidy miaraka amin'ny namany miisa dimy...
  • Niverina namoaka vaovao teo amin'ny pejy Facebook indray ny CENI omaly tolakandro. Nisongadina tamin'izany ny tatitra ankapobeny momba ny isan'ireo Ben'ny Tanàna manerana ny nosy ny faritany...
  • Faran'izay maloto ny rivotra amin'ny tontolo iainana eto Antananarivo. Tafakatra 7 hatramin'ny 10 heny amin'ny fenitra apetraky ny OMS izany, hoy ny Météo malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...