Ny Pôeta Radialph avy any Vatomandry, amin'ny Faritra Atsinanana no nipoiran'ny hai-famoronana "TÔKALO". Tamin'ny taona 1999 no namoronana ity tôkalo ity, taorian'ny fahatsapana fa somary latsa-danja amin'ny literatiora sy ny lahabolana rehetra ny tononkalo, nikaroka fomba hisarihana ny mpihaino ny mpamorona ka ny fampifandraisana ny Tôkatôka sy ny Tononkalo no vokatry ny saina ; misy antsikana ao anatin'ny sangan'asa tanteriny, misy mpiantsa sy mpiventy.

♦ Voatendry, alina, ny Praiministra vaovao. Hisahana ny fitantanana ny lehiben'ny Governemanta ny Jeneraly Zafisambo Ruffin Fortunat Dimbisoa hisolo an'Andriamatoa Ntsay Christian, noho ny toe-drahararaham-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna avy hatrany alina ny eo anivon'ny Gen Z, taorian'izao fanendrena Praiministra vaovao izao. Fandrebirebena pôlitika fotsiny izany ka toherinay marin-drano hoy izy ireo... ♦ Hanomboka anio ny fitanterana ireo milina mavesatra mpamokatra herinaratra 105 MegaWatt avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Hiteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana amin'ny lalam-pirenena RN2, izany...

Misy karazana fampianarana 16 isa navoakan'ny Konsily vatikana faharoa, ary izy ireo dia azo sokajiana 3 araky ny lanjany avy : Foto-pampianarana (miisa 4), Sori-dàlana (miisa 9) ary Fanabeazana (miisa3). Ny foto-pampianarana mahakasika ny fanambaran'Andriamanitra dia tena fototra mahakasika ny Litorjia, miankina be dia be aminy ny foto-pampianarana manodidina azy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

• Ho fantatra afaka antsasakadiny eo, ny anaran'ny Praiminisitra vaovao... • Mbola tsy tafiditra tao Ambohijatovo aloha hatramin'ny androany, ireo mpanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra. Mpanao gazety iray kosa no naratra nandritra ny fifanjevoana teny Anosibe... • Hanomboka rahampitso ny fitaterana ireo milina mpamokatra herinaratra izay efa nijanona ela tao Toamasina...

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

♦ Mbola mangingina ny ao an-drenivohitra ny tapany maraina teo. Mikasa ny hanohy ny hetsi-pitakiana ireo tanora anatin'ny Gen Z. Mbola voadidina mpitandro ny filaminana hatrany eny Ambohijatovo sy Analakely... ♦ Naneho ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny Nonce Apostolique, solontenan'ny Papa eto Madagasikara. Miaraka mifampizara ny mafy sy ny fijaliana ary ireo olana manahirana ankehitriny ny Eveka hoy i Mgr Thomasz Grysa... ♦ Niova indray ny vidin-tsolika ampiharina eto Madagasikara amin'ity volana oktobra ity. Nisy ny fidinana amin'ireo karazan-tsolika sasany, nisy koa anefa ny nisondro-bidy... 

1972, 1991, 2002, 2009, 2018… Mby ao an-tsaina ireo daty ireo raha vao miresaka tantaram-pirenena isika. Daty manambara ny fiverimberenan’ny krizy politika teto Madagasikara, tao aorian’ny nahazoana ny fahaleovantena. In’enina niseho izay ny tsy fankatoavam-bahoaka ny mpitondra sy nitakian’izy ireo ny fialany teo amin’ny fitondrana tao anatin’ny 50 taona farany. Miverina indray izany amin’izao taona 2025 izao, ka ny mampiavaka azy dia ny tsy fisian’ny mpitarika mazava fa nofintinina fotsiny hoe: tanora ao anatin’ny Génération Z.

♦ Nahazo sanctuaire ny any Belo-sur-Tsiribihina. Notokanana sy notsofindrano... ♦ Vao mainka mafàna ny toe-draharaha-pirenena. Nidina an-dalambe ihany koa ireo mpomba ny fitondràna ny faran'ny heriandro teo. Mbola nosakanana, tetsy ankilany, ireo tanora mpanao fihetsiketsehana tarihin'ny Gen Z... ♦ Ankolafi-kery maro no sabotsy teo no nihaona tamin'ny filoham-pirenena teny Iavoloha, manoloana ny toe-draharaha-pirenena. Tokony ho mpiasam-panjakàna no ho Praiministra hoy ny sendikàn'ny Administrateur civile... ♦ Antenaina fatratra ny hahitana fifanarahana momba ny ady any Gaza. Hisy ny dinika eo amin'ny Hamas sy ny delegasiôna Israeliana any Ejipta anio... 

Tsy misaraka ary mifampiankina ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Misterin'ny Trinite Masina no vaovao ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny boky manontolo Testamenta Taloha tamin'ny fitorian'ny Vaovao Mahavaly dia maka ny heviny ao amin'ny Testamenta Vaovao... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

♦ Manokatra varavarana hihainoana ny rehetra manoloana ny krizy misy eto Madagasikara ny FFKM. Ny ahatongavana amin'ny fifampidinihana no tanjona... ♦ Miantso ny olom-pirenena hanome lanja ny filaminana, hampitsahatra ny fihantsiana samihafa ny EMMONAT, ivondronan'ny Zandary, ny Polisy ary ny Tafika. Miantso ny rehetra ho tony manoloana ny toe-java-misy iainan'ny firenena ankehitriny... ♦ Miantso ny mpikambana rehetra manerana ny nosy hanatevin-daharana ny hatsika ataon'ny tanora amin'izao fotoana izao ny RMDM. Takian'izy ireo ny hamotsorana an'ireo voasambotra noho ny fanehoany ny heviny...

Alahady 05 oktobra 2025 : Alahady faha-27 mandavantaona — D - Ny olona manam-pinoana tsy miandry valisoa eo no ho eo ; Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. I Jesoa no niaina voalohany ireo fijaliana, fa lalam-pitiavana ireny ; porofo ny nanehoan'ny Ray ny fitiavany tamin'ny nananganany an'i Kristy ho velona. Mandre ny vavaka sy ny fangatahana ataontsika Andriamanitra fa misy ny fandarahana,  ara-potoana, araka ny laharam-pahamehana aminy. Mila fotoana isika mba hamahana ny olana rehetra vokarin'ny ratsy, na ao anatintsika na eo amin'ny tontolo iainana mba tsy lasa mpitan-damba fotsiny isika...

Ny mahatongan'ny "Homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza" dia avy amin'ny tsimok'aretina atao hoe "papillomavirus". Ny fivoaran'io homamiadana io dia eo amin'ny 20 taona aorian'ny nidiran'ilay tsimok'aretina ao amin'ny tranon-jaza. Misy ny vaksiny ho fisorohana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza, tsindrona in-ndray, mahantoka mandritra ny fahaveloman'ny vehivavy iray... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...