Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 9, 1-7 ; 10, 18-22)

Asio marika ny handrin’ny olona misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ao Jerosalema.

Niantso mafy teo an-tsofiko ny Tompo nanao hoe:

“Manatòna ianareo, mpiambina ny tanàna;
samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tanany avy.”

Ka indreo, avy tamin’ny lalan’ny vavahady ambony mitodika mianavaratra,
nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely;
ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan’izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika,
sy nitondra fombam-panoratan’ny mpanoratra, teo amin’ny fehin-kibony.
Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan’ny ôtely varahina.
Ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely,
niakatra avy teo ambonin’ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran’ny trano.
Ary ny Tompo niantso an’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika
sy nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehin-kibony,
ka hoy ny Tompo taminy hoe:

“Mandehàna mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema,
ka asio marika ‘Thau’ ny handrin’ny olona misento sy mitaraina,
noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.”

Dia hoy koa Izy tamin’iretsy sasany, teo an-tsofiko:

“Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, ianareo,
ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo ianareo.
Na anti-dahy, na zazalahy na zazavavy, na zaza, na vehivavy:
vonoy mandra-paharingany avokoa;
fa izay misy ny ‘Thau’ ao aminy kosa aza hatoninareo.
Ary eo amin’ny fitoerako masina manomboka.”

Dia nanomboka tamin’ny anti-dahy teo anoloan’ny trano izy ireo.
Ary hoy Izy taminy:

“Lotoy ny trano, fenoy faty ny kianja.
Mivoaha ianareo!”

Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo.
Niala teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny trano ny voninahitry ny Tompo,
dia nijanona teo ambonin’ny Kerobima.
Nanainga elatra ny Kerobima sy nisondrotra avy amin’ny tany teo imasoko,
ary nony niainga izy, niaraka taminy ny kodiarana.
Nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny Tompo izy ireo;
ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo aminy teo amboniny.

Izany no ilay zava-manana aina hitako teo ambanin’Andriamanitr’i Israely,
teo amin’ny ony Kobara;
ary nahalala aho fa Kerobima izany.
Samy nanan-tarehy efatra, ary samy nanana elatra efatra avy izy;
ary nisy endri-tanan’olona, teo ambany elany.
Ary ny amin’ny fijery ny tavany,
dia ireo tava hitako teo amoron’ny ony Kobara ihany;
sahala ny fijery azy; tena ilay tany ihany izany.
Samy nandeha tamin’izay hitsiny avy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-6

Ambonin’ny lanitra ny voninahitry ny Tompo.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo!
Derao ny Anaran’ny Tompo!
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay!

Tongava marain-tsy hariva
hidera ny Anaran’ny Tompo;
ambonin’ireo firenena
ny lazany avo dia avo!

Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony.
Ka miondrika Izy mijery
na Lanitra izany na tany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy;
ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina.
Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo ety ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo ety ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nihemotra indray ny daty hanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina eto Madagasikara. Tsy raikitra amin'ny 6 novambra izao indray izany fifidianana izany, raha ny vaovao nivoaka nanomboka ny faran'ny herinandro teo... ♦ Hihetsika ny vondron' y sendikàn'ny mpiasa rehetra. Mety hiafara amin'ny fidinana an-dalambe ny fanapahan-kevitr'izy ireo, aorian'ny fanambaràna atao amin'ity herinandro ity... ♦ Hanomboka anio maraina ny fanadinana Bakalôrea teknika manerana ny nosy. Mpiadina miisa 11.662 no hiatriaka izany, rehefa nahavita ny Bakalôrea ho an'ny fampianarana ankapobeny ny herinandro teo... ♦ Mitarika ry zareo japoney amin'ny fandroambahana medaly amin'ny J.O any Paris...

Ny maha Salamo ny Salamo dia noho izy anisan'ny Soratra Masina. Anatin'ny Baiboly dia misy an'ilay teny fampidirana sy fanazavana mialoha ao amin'ny Baiboly miloko mangamanga. Ny Baiboly, ny Katesizin'ny Fiangonana katôlika ary ny katesizin'ny Papa François dia fototra azo hanovozana hevitra mikasika ny vavaka sy ny fiainam-bavaka... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

Ilàna tombana ny lafiny fanabeazana : fanabeazana ny maha-olona, ara-pitondran-tena... Mahatsapa ny rehetra fa ambany ny haavon'ny fahalalana sy ny fanabeazana, ary miharatsy izany ankehitriny. Tsy voahomana hiatrika fiainana ny tanora nahavita fianarana. Tompon'antoka ny tsirairay mba hampivoarana ny fanabeazana amin'ny lafiny rehetra : miainga amin'ny tenanao, ny fianakaviana, fiaraha-monina... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady faha-17 mandavantaona — B : Velomin'Andriamanitra amin'ny mofo avy any aminy isika  ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!. Ny fahagagana nataon'i Jesoa tamin'ny fampitomboana ireo mofo ôrja dimy sy hazandrano roa dia antony roa no nanaovany azy : voalohany, noho ny fahangorahany ny vahoaka nanatona Azy tamim-pitokiana, tsapany ny hanohanana ara-panahy sy ara-batan'ireo vahoaka ; faharoa fampisehoana miarairy ny amin'ny antony nahatongavany teto an-tany. Izay atolotr'Andriamanitra dia ho ampy ny olona, tsy izay mandray no mahazo be fa izay manome...

Ny vavaka dia misandratra any amin'Andriamanitra avokoa, fa Izy Andriamanitra ihany no mahalala izay mahasoa antsika ny amin'ny valim-bavaka. Misy vokany avokoa ny vavaka matoa misandratra fa isika no tsy mahalala ny fisehony eo amin'ny fiainantsika, indrindra ny fotoana hahatanterahany. Mampahazo "fiandrianana" ny vavaka, rehefa miaina fibebahana ny olona iray, mampody hasina ihany koa... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.

Ny olon-dehibe dia 32 isa ny nifiny. Ny areti-nify dia mety hiteraka olana amin'ny fandevonan-kanina sy endrika. Ny fiatombohan'ny areti-nify dia ny tsy fahadiovan'ny ati-vava. Ny areti-nify dia mety hatonga olana any amin'ny fo sy ny voa. Ny fisorohana ny areti-nify dia ny fanadiovana ny nify sy ny ati-vava, indrindra rehefa mihinana zavatra mamy. Miteraka fofona ratsy ao am-bava ihany koa ny areti-nify. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Very any an-dranomasina avokoa ny 95% amin'ny rano azo trandrahana eto Madagasikara hoy ny Ministry ny rano, ny fidiovana sy ny fahadiovana... ♦ Olana amin'ny fivadiana amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra no mahatara ny famoahana ny vatsim-pianarana ho an'ny mpianatra eny amin'ny Université an'Antananarivo hoy ny sekretera jeneralin'ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa... ♦ Nahitàna fidinany ho 10,23% ny tahan'ny fifohana sigara eo amin'ny tanora 13 hatramin'ny 15 taona eny anivon'ny sekoly hoy ny OFNALAT... ♦ Voasambotry ny mpitandro filaminana i Ronnie Dean Stout II, izay voalaza fa tompon'antoka tamin'ny doro tanety sy ala nitranga tao Californie...

♦ Nihaona tamin'ny filoha Frantsay tao amin'ny lapan'i Elysée any Paris, omaly, ny filoha Rajoelina Andry, voaresaky ny roa tonta tamin'izany ny fifandraisana ara-diplômasia sy ara-toekarena... ♦ Nigadona any Antsiranana ilay sambo hopitaly "Arche de la paix" hanome fitsaboana maimaimpoana ny mponina any an-toerana mandritra ny herinandro... ♦ Miankina amin'ny fahatongavan'ny taratasim-panadinana aty amin'ny foibe ny fanombohan'ny fitsarana ny antotantaratasim-panadinana bakalôrea hoy ny Sekretera Jeneralin'ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa... ♦ Nahitàna taovan'olombelona sy biby tao amin'ny toerana faka aina tao Rosehill ao Sutton, any Atsimon'i Londres...

I Davida dia masina sy mpanota, voaenjika sy mpanenjika, nampijaliana sy mpampijaly, izany daholo mihitsy no niainany ; isika ihany koa eo amin'ny fiainantsika dia mety sendran'ireo tranga mifanohitra matetika. Ny vavaka irery ihany no lalan-tokana tsy nampihontsina an'i Davida teo amin'ny fiainany ka tsy nampivoana  azy tamin'ny sori-dalana natao hodiaviny. Ny vavaka no feo tsy maty tao anatin'i Davida... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.

♦ Niantso ny rehetra mba hampitsahatra ny lainga sy ny kabary tsara lahatra ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina, nandirtra ny Sorona Masina famaranana ny fankalazana ny taon-jobily volamenan'ny Fihavaozana Karismatika... ♦ Niompana tamin'ny fiaraha-miasan'i Lafrantsa sy i Madagasikara amin'ny famokarana herinaratra azo avy amin'ny rian-drano, mba hamenoana ny angovo tsy ampy eto amintsika, ny fihaonana teo amin'ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny Filoha malagasy, Andry Rajoelina androany...

♦ Notanterahana tao amin'ny renivohitry ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiofanana ho an'ny katesista avy ao amin'ny Distrika Misiônera Maevatanana, tamin'ity herinandro ity... ♦ Nanentana ny rehetra hiaina ny fitiavana, ny Arsevekan'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny lanonana famaranana ny taom-bolamenan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, eto Madagasikara... ♦ Tontosa tamin'ny 13 jolay 2024, ny Antenimiera nataon'ny tanora tao amin'ny Diôsezin'i Farafangana, ho fanomanana ny JMJ Diôsezy...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...