♦ Miditra amin'ny fahanginana ara-pifidianana ny manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara manomboka anio, taorian'ny fifaranan'ny fampielezan-kevitra. Andro isaintsinan'ny mpifidy rehetra... ♦ Nisy kandidà nandany hatrany amin'ny  18 tapitrisa Ariary isaky ny nanao hetsika nandritra iny fampielezan-kevitra iny. Nanao tatitry ny fanadihadiana nataony momba izay fandaniam-bolan'ny kandidà izay ny Transparency International ety Madagasikara, omaly... ♦ Nampiaka-peo ny Vovonan'ny Sekoly tsy Miankina, noho ny voalaza fa antsojay atao azy ireo. Nomena fe-potoana nomena hatramin'ny 15 mey teo ireo sekoly tsy miankina, hampihatra ny karama farany ambany...

Misy tokoa ireo tovovavy mitondra vohoka no tsy sahy mananatra sy miteny ny tovolahy mikasa hampanao zavatra tsy tiany sy tsy ankasitrahany, indrindra ny resaka filàm-pahafinaretana. Tokony ho tompon'andraikitra feno amin'ny fanapahan-keviny ny olona iray. Ny sakramentan'ny mariazy dia manambara fa ny fitiavan'ny mpivady dia endriky ny fitiavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

♦ Tsy nahafaly ny Vovonan'ny Sekoly tsy miankina eto Madagasikara, ny faneren'ny Ministeran'ny Asa azy ireo, hampihatra ny karama farany ambany... ♦ Arahanao ato anatin'izao vaovao hariva izao ny vaovaon'ny fampielezan-kevitra... ♦ Hanainga rahampitso ho any Afrika Atsimo ny Delgasiôn'ny Barean'i Madagasikara...

♦ Nandefa hafatra manokana ho an'ny mpiara-miombona antoka ao amin'ny Fifandraisan'ny mpiara-belona, i Mgr Fulgence Rabemahafaly, ka nanentana ny rehetra mba hahay hampiasa izany fitaovana izany mba tsy hahalefy ny fihavanana eo amin'ny olombelona sy Andriamanitra... ♦ Nanentana ny rehetra hanao am-pinoana ny famantaran'ny hazofijaliana, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankazalazana ny fetin'ny Trinite Masina, sady nankalazana ihany koa ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo...

1 jona 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jodà Apôstôly (Jodà and 17. 20b-25)


Manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo, sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan’ny fiandrianany Andriamanitra.

Ry malala,
tsarovy ny teny voalazan’ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny.
Aoka ianareo hivavaka amin’ny alalan’ny Fanahy Masina,
hitahiry tena amin’ny fitiavana an’Andriamanitra,
ary hiankina amin’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Tompontsika,
mba hahazo ny fiainana mandrakizay.
Amindrao fo ny sasany izay miahanahana;
afaho amin’ny afo no famonjy ny sasany;
ary ny sasany indray amindrao fo, fa amin-tahotra,
ka ankahalao na hatramin’ny akanjo voaloton’ny nofo aza.
Ary aoka anie ho an’Ilay manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo,
sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan’ny fiandrianany,
dia ho an’Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
ny voninahitra sy ny fiamboniana, ary ny hery sy ny fanjakana,
hatrizay hatrizay, sy ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 62, 2. 3-4. 5-6

Ry Tompo Andriamanitro ô, mangetaheta Anao ny fanahiko.

Andriamanitra Andriamanitro ô, maniry Anao aho!
Mangetaheta Anao ny fanahiko!
Matimaty Anao ny nofoko:
mova tsy tany maina sy mangetana, maniry rano.

Toy ny nahitako Anao tao amin’ny toerana masina,
sy nibanjinako ny hery sy voninahitrao
fa tsara noho ny aina ny hatsaram-ponao,
ka ny molotro mankalaza Anao.

Toy izany no hisaorako Anao raha mbola velona aho,
sy hanandratako tanana amin’ny Anaranao:
ka ny fanahiko ho toy ny voky sakafo soa
ny molotro hihoby, ny vavako hidera!

Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)

Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany.
Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,
ka nilaza taminy hoe:

“Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?
Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo,
ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy aiza ny batemin’i Joany,
avy any an-danitra sa avy amin’ny olona?
Valio Aho.”

Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe:

“Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko,
dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?
Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa,
ny vahoaka indray no atahorantsika;
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.”

Dia izao no navaliny an’i Jesoa:

“Tsy fantatray.”

Ary hoy kosa i Jesoa:

“Izaho koa,
tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

31 mey 2024 — Ny Famangian'i Masina Maria — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 3, 14-18a)

Ny Tompo mpanjakan’i Israely eo aminao.

Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry Israely!
Mifalia sy mirehareha amin’ny fonao rehetra ry zanakavavin’i Jerosalema.
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo,
ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao.
Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao,
ka tsy hahita loza intsony ianao.
Amin’izany andro izany,
izao no holazaina amin’i Jerosalema:

“Aza matahotra, ry Siôna,
ary aza miraviravy tanana!
Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao,
Mpamonjy mahery!
Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao:
hangina Izy amin’ny fitiavany;
noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Hovorìko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 9-16b)

Mifankatiava toy ny ifankativan’ny mpirahalahy.

Aza asiana fihatsaram-belatsihy ny fitiava-namana;
mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpirahalahy;
mifaninàna hifanaja.
Raha ny amin’ny fahazotoana,
dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo;
ny Tompo anie no tompoinareo e!
Mifalia amin’ny fanantenana,
mandefera amin’ny fahoriana,
ary mahareta amin’ny fivavahana;
manampia ny olomasina araka izay ilaina,
ary mazotoa mampiantrano vahiny.
Misaora izay manenjika anareo;
misaora, fa aza manozona.
Miaraha mifaly amin’izay mifaly,
ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
Miraisa hevitra;
aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Iz. 12, 2-3. 4. 5-6.

Lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.

Intý ny Andriamanitry ny fahafahako;
matoky aho, fa tsy manan-tahotra;
fa ny heriko sy fiderako, dia ny Tompo,
Izy no famonjena ahy teo.

Hanovo rano an-kafaliana ianareo
amin’ny loharanom-pamonjena,
ary izao no holazainareo amin’izany andro izany.

Miderà ny Tompo, miantsoa ny Anarany;
torio amin’ny firenena ny asany lehibe,
ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany.

Mihirà ho an’ny Tompo fa nanao zava-mahagaga Izy;
ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.
Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna,
fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompo aho.

Tamin’izany andro izany, dia niainga i Maria
ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka
izay nampilazain’ny Tompo taminy!”

Ary hoy i Maria:

“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny.
Fa indro, hatramin’izao,
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko Ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany
sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy:
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanan-karena kosa, nampodìny mitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

30 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 2, 2-5. 9-12)

Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo.

Ry kristianina havana,
maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka,
mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena, rahefa nandramanareo fa mamy ny Tompo.
Manatòna Azy, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa,
nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;
ary ianareo kosa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona,
mba hitsangana ho Tempoly fanahy, ho mpisorona masina,
ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy,
mpisorona manjaka,
firenena masina,
vahoaka navotana,
mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina,
ho amin’ny fahazavany mahagaga:
dia ianareo izay tsy vahoakany akory taloha,
fa efa vahoakan’Izy Andriamanitra kosa ankehitriny,
ary tsy nahazo famindram-po koa taloha,
fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny.
Ry malala,
mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho,
noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.
Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny jentily,
mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana,
rahefa hitany ny asa soa ataonareo,
na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Fa Azy isika satria nohariany.
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra.
Ny ao an-kianjany, idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.

Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao,
dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time.
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay,
dia rafitra niantso izy nanao hoe:

“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.”

Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.”

Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy.
Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe:

“Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.”

Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Inona no tianao hataoko aminao?”

Dia hoy ilay jamba:

“Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.”

Ary hoy i Jesoa:

“Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy,
ka nanaraka Azy teny an-dalana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hankalazaina ny 15 - 16 jona ho avy izao ny andro eran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananaviro... ♦ Miantso ny Ceni haka hevitra amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana momba ny fifidianana any Morondava ny KMF/Cnoe... ♦ Nanatrika ny fihanianan'ny filoha kaomaoriana Azali Assoumani noho ny nahavoafidy azy indray omaly ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny Mialy Rajoelina... ♦ Von olona mampihoron-koditra ny zera baomban'ny Israeliana tao amin'ny toby iray fandraisana mpitsoam-ponenana tao Rafah any Atsimon'i Gaza hoy ny Hamas Palestiniana...

29 mey 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 32-45)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...