Ny biby teo amin'ny tontolom-piaraha-monina Malagasy dia nampiasaina ho sakafo, nampiasaina tamin'ny famokarana, fanafody, alafaditra, natao sorona. Manomboka amin'ny fahaterahana hatramin'ny fahafatesan'ny olona iray dia misy hatrany ny fampiasana biby mba ho fampodiana aina, fiarovana amin'ny loza... Isan'ireo biby heverina manana ny hasiny ny akoho, ondry, osy, omby, bibilava, voay, fanano, amalom-bandana... Ny bibin-dRamahavaly dia sampy, nampiasaina ho mpitari-tafika, sy mpitsapa entan'Andriana tamin'ny andron'i Radama-I...
♦ Filazam-baovao natokana ahatsiarovana an'i LALAINA NALINJARA... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory amin'ny Fianakavian'i LALAINA NALINJARA sy ny mpiara-miasa eto anivon'ny radio Don Bosco ny Evekan'i Morondava... ♦ Mpiofana andian'ny faharoa tamin'ireo mpiasa Nampiodina ny radio Don Bosco, olona tsotra ary nahay nifandray tamin'ny mpiofana namany i LALAINA NALINJARA, mitatitra ny tsiaro i Harimalala Cyrille... ♦ Hoy ny mpiara-miasa : mandria amim-piadanana LALAINA NALINJARA...
♦ Tamberin'ireo vaovao natolotr'i LALAINA NALINJARA farany teto anivon'ny onjam-peo Radio Don Bosco... ♦ Fandraisam-peo mahakasika ny fiaraha-miasa tamin'i LALAINA NALINJARA : Olon'ny fifandraisana, tsotra, mahitsy rehefa miresaka, tia manampy ny hafa... ♦ LALAINA NALINJARA : Mpanao gazety mpikambana tao amin'ny vondron'ny mpanao gazety matihanina, amin'ny asa sy ny fampananan'asa na RJSET, niara-niasa amin'ny Birao Iraisam-pirenena momba ny asa na ny BIT...
Mbola hamoa izy amin'ny fahanterany ; andian-teny miteraka fanantenana ho an'ny tanora sy ireo miara-miaina amin'ny zokiolona... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
♦ Feno folo taona katroka ny naha Arsevekan’Antsiranana an’i Mgr Benjamin Marc Ramaroson… ♦ Notanterahana tamin’ny sabotsy 03 febroary 2024 teny amin’ny ISTS Mandrimena, ny fankalazana ny Andron’ny Olom-boatokana, teto amin’ny Diosezin’Antananarivo… ♦ Ny fiovana sy ny fibebahana no tena maha kristianina, hoy ny Papa François, tamin’ny vavaka Angélus, omaly… ♦ Nivavaka ho an’ireo maty noho ny doro tanety tany Chili, ny Papa François…
♦ Vaovao manokana, mitatitra ny fodiamandrin'ny Mpanao Gazety LALAINA NALINJARA, nikatroka tamin'ny sampana fampahalalam-baovao teto anivon'ny Radio Don Bosco... ♦ Naneho sy nitondra ny teny fampiononana sy fiaraha-miory noho izao voina izao ny teo anivon'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny serasera.... ♦ Maro ireo mpiara-miasa tamin'ny sehatra fanaovan-gazety sy ny lafiny serasera no nahatsiahy ny fiarahana tamin'i LALALINA NALINJARA...
Mirongatra ny fandraisan'ny tanora na ny olon-dehibe ny zava-mahadomelina ankehitriny. Tanjontsika ny hanampy ny tanora sy ny ray aman-dreny hisorohana ny fandraisana zava-mahadomelina. Maro ny antony mandrisika ny olona handray zava-mahadomelina, isan'ireny ny fitadiavana fahafinaretana, fanalana tahotra... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny zava-mahadomelina dia miteraka fiovana eo amin'ny toe-batana na ny psikôlôjia ny zava-manan'aina mandray azy ; betsaka ny endrika handraisana ny zava-mahadomelina, izy mety tsindrona, fohana, tsakoina, atao an-tsoson-koditra. Misy voka-dratsiny ny zava-mahadomelina isan'izany ny fahasimban'ny taova maro, manimba ny saina sy ny maha-izy ny olona. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Azo sokajiana telo lehibe ny Sakramenta : Sakramenta firosoana ho Kristiana, Sakramenta ny fanasitranana, Sakramenta fanirahana sy firotsahana. Mbola azo sokajiana roa ihany koa anefa ny Sakramenta : Sakramentan'ny maty, hamelomana ny olona ao anatin'ny fahafatesana ara-panahy ; Sakramentan'ny velona, ho an'ireo efa novelomina tamin'ny Batemy sy ny pentasy no afaka mandray azy...
Ny "infections urinaires" dia aretin'ny taova mpanivana sy mpanangona ary ny fantsona mpamoaka ny amany eo amin'ny olona iray. Ny olona salama dia tsy tokony hatsapa mangirifiry na mangididy rehefa mamany. Ity aretina ity dia mety hakasika ny voa sy ireo fantsona mampifandray io taova io amin'ny fantson'amany. Ny vehivavy no tena maro tratran'ity aretina ity noho ny taova fantsona ivoahan'ny amany sy ny lalan-jaza, ary ny lava-body, mifanakaiky loatra... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Alahady fahadimy tsotra "B" : Misy antony ambony ny fijaliana. Ao ambadiky ny tsy takatry ny sain'ny olombelona dia Andriamanitra no tokony hianteherana, tahaka izay niainan'i Jôba. Ny olona tsy mahazo ny dikan'ny fiainana dia mametram-panontaniana amin'ny tenany, lalana iray hikarohana an'Andriamanitra ny loza amam-pijaliana eto antany. Mila miady sy mandà ny fahadisoam-panantenana ny olona, ary mitodika amin'Andriamanitra fa miaro ny ory sy ny mahantra izy. Maneho ny Eglizy trano ny tranon'i Piera, izay nisy an'i Kristy, ny Eglizy olona kosa dia ireo mpianatr'i Jesoa ; hita taratra amin'ny Evanjely novakiana teo ny fanompoan'ny olombelona ny Eglizy. Samy manana anjara toeram-panompoana ao amin'ny Eglizy isika rehetra...
♦ Noesorin'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena teny Ampefiloha ny Canal 7 Events sy ny Fahitalavitra Dream in. Tsy misy resaka pôlitika izao raharaha izao fa fanatanterahana didim-pitsaràna hoy ny fanazavàna... ♦ Nilaza ny teo anivon'ny Tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly omaly fa tsy marina ny filazàna fa lany paik'ady, ka tsy tokony hisy tohiny intsony ny fanenjehina an'Andriamatoa Mbola Rajaonah... ♦ Tanora maherin'ny 2 tapitrisa no ezahina hiditra anatin'ny sehatry ny asa ato anatin'ny 5 taona, aorian'ny fanarahana fiofanana arak'asa. Natomboka omaly tety amin'ny distrika Ambohidratrimo izany fandaharan'asa izany, omaly... ♦ Misy mangirana kely ny mety hiatoan'ny adin'ny Israeliana sy ny Palestiniana any Gaza...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco