18 febroary 2024 — Alahady Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 12-15)

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 9, 8-15)

Ny faneken’Andriamanitra tamin’i Nôe, dia ny hanafaka azy amin’ny safo-drano.

Taorian’ny safo-drano Andriamanitra
niteny tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy nanao hoe:

“Izaho dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo,
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo,
na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra,
hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
Manao fanekem-pihavanana aminareo aho:
tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra,
ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony”.

Dia hoy Andriamanitra:

“Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo,
amin’ny taranaka ho avy rehetra:
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko, sy amin’ny tany.
Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany Aho,
dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra,
ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9

Ny teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ampianaro ahy ny soritrao.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
ianao no Andriamanitra Vonjiko.

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
asehony azy ireo ny lalany.

Ny lalany: fahamarinana, fitiavana
amin’izay mitandrina ny fanekeny.
Izay matahotra ny Tompo tsy anafenany:
atorony azy ny fanekeny.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 3, 18-22)

Ny Batemy izay tenan’io tandindona io no amonjena anareo.

Ry kristianina havana,
na i Kristy aza niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina,
mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy,
fa novelomina tamin’ny fanahy.
Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,
dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe,
mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsivitsy, dia valo monja,
sy namonjena azy ireo tamin’ny safo-drano.
Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io,
sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra,
no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay,
ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 12-15)

Nalain’i Satana fanahy Izy, ary ny Anjely nanompo Azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro
dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia,
ary ny Anjely nanompo Azy.
Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:

“Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Andrasana anio ny ho fizotry ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana eo anivon'ny kaominina. Hitafa amin'ny mpanao gazety eny amin'ny foiben-toerany eny Alarobia amin'izao maraina izao ny CENI... ♦ Fanilo miampita ho an'ireo mpitandro ny filaminana ankehitriny ary afo tsy maty mampiredareda ny fitiava-tanindrazana ny toe-tsain'ny Kôlônely Ratsimandrava Richard. Feno 49 taona omaly ny namonoana azy teny Ambohijatovo... ♦ Fotoana tsara hamoahana ny tena marina momba ny raharaha Ratsimandrava izao ary tsy tokony handratra ny fahalalana izany, hoy Pr Armand Rasoamiaramanana izay vavolombelona voalohany nohenoina tamin'iny raharaha iny...

Misy ihany ny voka-tsoa azo avy amin'ny fandraisana zava-mahadomelina fa kely sy voafetra ny fandraisana azy. Ny fanafody mantsy dia misy zava-mahadomelina fa efa voalanjalanja fotsiny ny fomba fandraisana azy. Ny zava-mahadomelina efa voafehy sy voalanjalanja dia entina mitsabo ny marary sy manasitrana, ohatra ny "anestezia"... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

Misy fiantraikany amin'ny sehatra famokarana sy ny ara-toekarena ny fandraisana zava-mahadomelina. Miteraka fandaniana vola betsaka. Ny fandraisana zava-mahadomelina dia miteraka fiankinan-doha tanteraka, mety mba manana faniriana hiala amin'ny zava-mahadomelina ihany ilay olona fa tsy afaka satria efa andevozin'io zavatra io... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Kasain'ny Fitsaràna Malagasy ho gadraina mandritra ny 150 taona ve i Mbola Rajaonah, hoy ny fanontaniana napetraky ny Mpisolovava azy ny Maître Eric Mihaja Rafidison... ♦ Nahitana olona roa velona soamantsara sy razana miisa fito hafa ilay lakana dobo an-dranomasina tao Nosivarika saika hiazo an'i Mananjary... ♦ Manentana ny olona ho mailo amin'ny mety firodanan'ny trano, fihotsahan'ny tany, aorian'ny fisian'ny rotsak'orana tahaka izao, ny tale jeneralin'ny Birao nasiônaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza na ny BNGRC... 

Misy fetra ny fampiasana ny saina, ny mihoatra dia mampikorotana ny fahasalaman'ny saina. Ny fahasalamana ara-tsaina dia azo adika hoe : ny fananana saina afaka maneho sy manatanteraka ny fahaiza-manao, afaka miatrika ny fahasarotana mahazatra eo amin'ny fiainana, afaka mamokatra amin'ny asa atao sy afaka miaina sy milamina ao anatin'ny fiaraha-monina... Ny fahasalamana ara-tsaina dia mifampiankina amin'ny tontolo manodidina : asa, fiaraha-monina, ny fomba fiainana, fahasalamana ankapobeny. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Alahady fahaenina tsotra mandavan-taona : Sitrana ny boka ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy ny Tompo, tsy misy olona makany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Evanjely masina nosoratan'i Md Marka 1, 40-.45 : Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao... Ny vakin-teny anio dia miresaka ny lalàna sy ny momba ny boka izay tsy maintsy miseho amin'ny mpisorona manamarina fahasitranany...  Maro ireo haboka ara-panahy mahazo ny olombelona ka izay no ezahina tsaboina ao amin'ny Tompo.

♦ Miantso ny hanafainganana ny famoahana ny didim-panjakàna fampiharana ireo lalàna vao nolaniana ny filohan'ny antenimieran-doholona, raha nanasongadina ny olana iainan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny filohan'ny antenimieram-pirenena amin'ny fotoam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoanan'izy ireo omaly... ♦ Nitokana foto-drafitr'asa maro tany amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny filoha Rajoelina Andry... ♦ Hiroso amin'ny fanavaozana ny votoatin'ny fandaharam-pampianarana ho an'ireo sekoly fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i Robert Banditer...

Mitarika amin'ny fandikan-dalàna sy vono olona ny fandraisana zava-mahadomelina satria efa tsy afaka mandinika ny tokony hataony intsony ilay olona. Lasa tsy manaraka ny lalàna misy eo amin'ny fiaraha-monina izy ka mpiara-monina aminy no lasa mitondra faisana. Lasa tsy misy dikany na tsy misy vidiny amin'ny olona mpandray zava-mahadomelina ny ain'olona rehefa anatin'ny fidorohana izy... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, midangana ny vidim-piainana. Isan'ny noresahan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa izany androany, raha namarana ny fivoriana tsy ara-potoan'ny Antenimieram-pirenena izy. Tsy hanelingelina ny Governemanta kosa ny Antenimieran-doholona, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Hatao faritra manokana, hisitaka amin'Alaotra ny ao Mangoro, misy ny Distrikan'i Moramanga sy Anosibe an'Ala. Fantatra izany androany, nandritra ny lahatenin'ny Filoham-pirenena, nitokana zava-bita maro tao amin'ny Distrikan'i Moramanga...

♦ Manentana ny olona hikolo ny fifandraisana amin'ny marary, ny Papa François, amin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany faha-32 ho an'ny Marary... ♦ Hotanterahana ny 10 sy ny 11 febroary 2024, ny fivoriambe voalohany amin'ity taona ity, ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto Antananarivo... ♦ Fahakiviana ara-panahy sy fanakanana ny olona tsy hiaina am-pifaliana ny alahelo, hoy ny Papa François tamin'ny Audience générale farany teo...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...