Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 6-9)

Ny fihevitro tsy fihevitrareo.

Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita Izy.
Miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka, amin’ny heviny;
ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindràny fo;
dia amin’Andriamanitra, fa mamela malalaka Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo, tsy mba lalako.
— Teny marin’ny Tompo. —
Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany,
no haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 144, 2-3. 8-9. 17-18

Eo anilan’izay rehetra miantso Azy ny Tompo.

Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo, ary mendri-dera fatratra;
tsy takatry ny saina ny halehibiazany.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 1, 20d-24. 27a)

I Kristy no velona ato amiko.

Ry kristianina havana,
homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy,
na velona aho na maty.
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako,
ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.
Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho,
dia ho fahavokaran’ny asako izany,
ka tsy hitako izay hofidiko,
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho:
ny handeha ho any amin’i Kristy moa,
iriko sy tsara lavitra;
nefa ny hitoetra amin’ny nofo kosa
no ilaina kokoa noho ny aminareo.
Fa izao ihany e:
manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

Sa ratsy ny masonao, satria tsara aho?

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka maraina koa
hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.
Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo.
Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa nidonana-poana teny an-kianja;
ka hoy izy taminy:

‘Andeha koa ianareo, mankany amin’ny tanimboaloboko,
fa homeko anareo izay antonony’.

Dia nankany ireo.

Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana,
dia hoy izy taminy:

‘Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?’

Fa hoy ireo taminy:

‘Satria tsy nisy nanakarama anay’.

Dia hoy izy taminy:

‘Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko’.

Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanimboloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:

‘Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany;
aseseo avy aty amin’ny farany,
ka hatrany amin’ny voalohany’.

Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany,
dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy
dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano nanao hoe:

‘Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay
izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro’.

Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo:

‘Ry sakaiza,
tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehàna,
fa tiako ny manome ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho?
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?’

Dia ho toy izany,
ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mbola hanohana hatrany ny kandidà laharana fahatelo, ny vondron'ny tanora mpitolona tia tanindrazana na ny JPRM. Ilaina ny fanohizana ny dingana sy ezaka efa vita ho fampandrosoana an'i Madagasikara, hoy ity vondrona ity... ♦ Fototry ny olana eto amin'ny firenena ny lalàna, ary hita ny fitanilan'ny HCC, hoy ny Sekretera Jeneralin'ny antoko Fiombonana, Durlin Retogniane... ♦ Hisy ny famokarana fandaharana eto amin'ny RDB, izay hanampy ireo tanora amin'ny sehatry ny fitadiavana na famoronana asa. Tontosa omaly tety Ivato, ny fankan-kevitra niarahana tamin'ireo mpiara-miombona antoka...

♦ Nihaona nikaton-trano nandritra ny ora roa teny Ambohidahy androany, ireo kandidà 10 amin'ny 13 sy ireo mpikamban'ny HCC. Tsy nisy nipika ny dinika, tsy nety nitatitra ny vokatr'izany tamin'ny mpanao gazety, ireo kandidà... ♦ Hisy fanatsarana ny famokarana fandaharana mandeha eto amin'ny Radio Don Bosco, izay hanampy amin'ny fanofanana tanora amin'ny sehatry ny famoronana na fitadiavana asa. Nisy androany tety Ivato, ny fakan-kevitra amin'izany tetik'asa izany...

Hifarana amin'ity taona 2023 ity ny fandaharan'asa FORMAPROD. Fitaovana voalohany nafahana nanavao ny Fampiofanana Ara-pambolena sy ny eny Ambanivohitra na ny FAR teo Madagasikara ity fandraharan'asa ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ity. Miabo ny sehatr'asa nataon'ny fandaharan'asa FORMAPROD tao anatin'ny folo taona niasany tato amin'ny Faritra Analamanga hoy ny mpandrindram-pirenena, Rakotonaivo Harilala...

♦ Handray mpisam-panjakàna raikitra maherin'ny 17.000 isa, mahafeno fepetra ny Fanjakàna malagasy. Ireo mpiasa ao anatin'ny Sokajy EFA no horaisina araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly... ♦ Nanara-dalàna ny dingana natao amin'ny fanomzana ny tsy miankina ny fitantanana ny "abattoire" ao Tsiroanomandidy hoy ny tale jeneralin'ny Fiompiana Lezoma Tsiry Andriamatola... ♦ Efa miomana sahady amin'ny fanonerana ny fotoana ampiasàna ny efitranon-tsekoly amin'ny latsabato atao mandritra ny fifidianana amin'ity taona ity ny ao amin'ny CISCO Antananarivo Renivohitra... ♦ Hivahiny any Chine amin'ny Ôktôbra izao ny filoha Rosiana Vladmir Poutine araka ny fanambarana ôfisialy...

Hetsika goavana ary saropady ny JNE noho izy mahakasika ankizy tsy ampy taona entina lavitra tsy miaraka amin'ny ray aman-dreny, noho izany ilaina ny hahafantarana ny ezaka tsara natao sy ny mila hatsaraina hakana lesona mankany amin'ny tsara kokoa hatrany ho an'ny JNE manaraka... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

Zava-dehibe eo amin'ny samy mpiara-belona ny atao hoe : fiombonana, firaisan-kina, fifankatiavana ary ny fifanajana sy fifanampiana. Maro ireo tanora no miniry ny hiasa any ivelany, ambaran'izy ireo fa tsy misy filaminana eto Madagasikara, ohatra ny olana arak'asa sy ny tsy fandriam-pahalemana toy ny vono olona, fakana an-kery, halatra... Tsy voahaja ny lalàna sy ny fitsipika eto Madagasikara ary mampivily lalana ireo miezaka manao ny ara-dalàna. Adidy lehibe ny fahaizana mamaky ny lalàna sy fahaizana mandray hanatra omen'ny ray aman-dreny sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.

Ny Mpiaro voalohany ny nosy Madagasikara dia Maria Immaculée izay, ankalazaina isaky ny 8 desambra. Ny andron'ny 27 septambra dia fety Olomasina Vincent de Paul, Mpiaro faharoa ny nosy, izay mpiaro sy fankatahaka tamin'ny asa fiantrana, vao 19 taona izy dia efa pretra. Toetr'Andriamanitra ny toetra tia manome, izay niainan'ny Olomasina Vincent de Paul. Ny Papa François dia isan'ny miaina io fitiavana ny mahantra io, nisy tahirin-kevitra nosoratany mihitsy niresahany ny Eglizy sy ny fahantrana, mitondra ny loha-teny hoe "Evangelii gaudium" .

♦ Hiaro ny zotram-pifidianana ny Governemanta ifandrombonana. Tsy misy krizy pôlitika eto fa fanakorontanana ny zotram-pifidianana no misy. Isan'ny nambaran'ny Praiministra Ntsay Christian izany alina nandritra ny fandaharana manokana tao amin'ny haino aman-jerim-panjakàna... ♦ Mitaky fifampidinihana hametrahana fifanarahana pôlitika manoloana ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ireo rafitra mpikarakara ny fifidianana ny Vondron'ny mpiasam-panjakàna ambony... ♦ Mitaky ny fametraham-pialan'ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy koa ny SEMPAMA. Tsy ekena hoy izy ireo ny fampidirana resaka pôlitika amin'ny fitantanana ny ministera...

♦ Efa tsy eo am-pelatanan'ireo mpikamban'ny Birao maharitry ny CENI teo aloha intsony ireo fiara sy moto nampiasain'izy ireo, nandritra ny fotoam-piasany. Fantatra fa ny Birao maharitry ny CENI ankehitriny no nitory azy ireo teny amin'ny Bianco... ♦ Tsy marina ny filazana sy ny fivoizana fa lasan'ny teratany sinoa, ny toerana famonoana omby manara-penitra ao Tsiroanomandidy, hoy ny Solombavam-bahoaka Haja Ramaherijaona... ♦ Mangataka ny filan'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, ny Sendikàn'ny Mpampianatra SEMPAMA, araka ny fanambarany androany...

♦ Ho tonga eto Madagasikara amin'ny fiandohan'ny volana ôktôbra izao ny biletà tokana natonta any Afrika-Atsimo... ♦ Fiara tsy mataho-dalana miisa 9 sy MOTO 11 isa no nogiazan'ny BIANCO, taorian'ny fanadihadiana nataony tamin'ireo tompon'andraikitra miisa 9 teo aloha teo anivon'ny CENI, noho ny tsy namerenan'izy ireo izany fitaovana izany... ♦ Mandray anjara amin'ny fametrahana ny filaminana maharitra eto amin'ny firenena ny Centre Arrupe Madagasikara ka hikarakara hazakazaka ho an'ny fandriam-pahalemana amin'ny alahady izao...

Ny safidy dia lalàm-piainana. Safidinao ny hiaina ny fahamarinana sy ny hahatsara ny fiainanao. Safidy ny hahatsara sy izay mba hanana ankohonana. Ny safidy dia mahatonga ny olona iray ho tompon'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...